Vao maraina dia efa tonga teny amin’ny lalam-pirenena voalohany ny zandary. Ny anton’izany dia mba ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana nisesy tamin’ny RN1 isaky ny nisy fifaninanana fiara na kodiaran-droa haingam-pandeha. Niaraka tamin’ny fitaovana fitsirihana tahan’ny alikaola ireo mpitandro ny filaminana ary ankoatra izay dia mandeha koa ny fisavàna taratasim-piara na môtô. Zava-dehibe ho an’ny mpampiasa làlana izany, satria efa maro loatra izay lavon’ny lozam-pifamoivoizana izay isaky ny misy hetsika ao Imerintsiatosika. Na izany aza anefa dia mbola hita teny an-toerana ihany ireo mpirifatra isan-karazany raha vao dify kely ny mason’ny mpitandro ny filaminana. Ankoatry ny hetsiky ny fitandroana ny filaminana dia mila mba manao fanentanana koa ny mpikarakara fifaninanana satria tena lasa faritra mena amin’ny lozam-pifamoivoizana tanteraka ny RN1 isaky ny misy hetsika ataon’izy ireo.
D.R