- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN1 : Fiara nitondra entana, tratra nitondra mpandeha an-tsokosoko

RN1 : Fiara nitondra entana, tratra nitondra mpandeha an-tsokosoko

Ny alatsinainy teo dia fiara «fourgon» (mpitatitra entana) no tra-tehaky ny zandary, nitondra mpandeha tao anatiny, avy aty an-drenivohitra, hikasa hiditra ny faritra Itasy, teo amin’ny sakana ara-pahasalamana teo Soamahamanina.

Mbola mihatra eto amintsika ny hamehana ara-pahasalamana, ary tao anatin’izany, hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 dia nisy ny fepetra noraisin’ny fanjakàna ny hanidina ireo faritra maromaro eto amin’ny Nosy. Anisan’izany ny eto Analamanga. Tsy misy afaka miditra, tsy misy afaka mivoaka. Mahavoasazy araka izany, hoy ireo mpitandro filaminana, ny fandikàna ireo fepetra efa noraisana ireo fa indrindra ny fitateraka olona an-tsokosoko mivoaka na miditra ireo faritra efa nohidiana.

Tetsy amin’ny lalam-pirenena voalohany, fiara «fourgon» iray, avy any Antananarivo, nikasa ho any Analavory sy Ankadinondry no tra-tehak’ireo zandary niasa teo amin’ny sakana ara-pahasalamana teo amin’ny Tranovy Ambatomainty, Soamahamanina. Nitondra entana maromaro ity fiara ity ary voalaza fa niafina tao ambadik’izany entana izany ireto olona dimy, mpandeha tao anatiny, ankoatra ny mpamily sy ny mpanampy azy. Nogiazana avy hatrany teo no ho eo ity fiara mpitatitra entana ity ary nasaina nivoaka tao amin’ny toerana niafenany ireto olona dimy. Tena mpandeha izy ireo, hoy hatrany fampitam-baovaon’ny zandary, satria araka ny famotorana dia nandoa saran-dalana ara-dalàna avokoa tany amin’ny mpamily. Naiditra am-balam-pamonjana avy hatrany mandritra ny 10 andro moa ity fiara ity ary ireo mpamily sy ireo mpandeha kosa, raha ny vaovao hatrany dia nanokafana famotorana. «Anterina hatrany fa mahavoasazy ny manao fitaterana olona an-tsokosoko amin’ny fiara mpitatitra», hoy hatrany ny eo anivon’ny zandary.

Niteraka resa-be teny anivon’ny tambajotra sosialy tokoa ny fahatratrarana ireo mpandeha an-tsokosoko, tafavoaka ny faritra Analamanga ary saika hiditra amin’ny faritra Itasy ireto. Inona no mahasamihafa azy amin’ny fidiran’ireo olona am-polony maro avy any am-pita tonga tetsy Ivato tamin’io alatsinainy io ihany, kanefa efa nambara ampahibemaso fa tsy mandray sidina avy any ivelany intsony i Madagasikara na avy aiza izy na avy aiza ? Iretsy voalohany, notanana natao andrimaso sy nanaovana famotorana ary iretsy farany kosa nomena hôtely mihaja hanaovana fihibohana, kanefa dia olona samy te hody any amin’ny tany niaviany izao avokoa. Tsy tokony hisy tokoa tombo sy hala amin’ny fampiharana ny fepetra efa noraisina na ho an’iza na ho an’iza, ary na inona na inona fitaovam-pitaterana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici