- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRN1 : Kamiô nivarina tanaty hantsana, olona roa maty tsy tra-drano, iray...

RN1 : Kamiô nivarina tanaty hantsana, olona roa maty tsy tra-drano, iray hafa naratra mafy

Aina roa indray no nafoy tamin’iny lalam-pirenena iny omaly antoandro vokatry ny fivadihan’ny fiarabe mpitati-bokatra iray. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo no niseho ny loza, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Soavimbahoaka, kilaometatra vitsy miala an’i Soamahamanina. Tsy nisy afa-tsy olona telo no tao anatin’ity fiara ity : mpanampy ny mpamily roa, ary mpamily iray. Vokatry ny fianjerana dia maty tsy tra-drano ireo mpanampy ny mpamily anankiroa, naratra mafy kosa ilay mpamily. Samy niezaka namonjy ity fiara niharan-doza ity avokoa moa ireo fokonolona teny an-toerana, nampian’ireo zandary izay tonga haingana teny an-toerana. Voatery nosokirina tao ambanin’ilay fiarabe, izay potika tanteraka tsy nisy namantarana azy intsony ny vatana mangatsiakan’ireo olona roa namoy ny ainy. Noho ny ratra mafy nahazo azy kosa dia nentina novonjena haingana tany amin’ny hôpitalin’i Miarinarivo ilay mpamily. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena zava-nitranga, hoy ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana. Ny filazan’ireo nanatri-maso dia toa hoe nandeha mafy ihany ity fiarabe ity, izay marihana fa mbola tsy nitondra entana. Toa hoe niezaka nisongona fiara teo alohany izy ka tamin’izay no tsy tana intsony ny familiana rehefa tojo ilay fiolanana mampidi-doza eo amin’io faritra io, ary dia niafara tany anaty hantsana, izay mirefy eo amin’ny 50 metatra teo ho eo. Avy aty an-drenivohitra, handeha haka vokatra any Ambalanirana any moa ity kamiô ity. Miandry ny fahasitranan’ilay mpamily kosa vao azo atomboka ny fanadihadiana rehetra, hoy ny fanazavàna.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici