Ny harivan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany tany ho any, tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny, teo toerana antsoina hoe Amboalefoka, distrika Miarinarivo no nitranga ity loza mahatsiravina ity. Kodiaran-droa iray, “scooter” avy aty an-drenivohitra, hihazo an’Analavory no nifaoka mpandeha an-tongotra. Maty tsy tra-drano ity farany. Raim-pianakaviana 47 taona izy io, monina ao amin’io fokontanin’Amboalefoka io. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Fa raha ny fahapotehana nihatra tamin’ilay kodiaran-droa no jerena dia azo lazaina fa mafy dia mafy ny dona nahazo ireo mpandeha an-tongotra. Satria tsy ilay rangahy namoy ny ainy ihany no voa fa nisy iray naratra mafy, niaraka tamin’ilay nitondra ilay môtô scooter. Tamin’io fotoana io ihany moa, raha ny fanazavana azo dia efa nentina nihazo haingana ny hôpitaly tao Miarinarivo ireo naratra saingy ny iray tamin’izy ireo, izay efa tena voa mafy no namoy ny ainy teny an-dalana. Taorin’ny fitsirihana natao sy ireo fanangonam-baovao teny am-potony moa dia efa nomena ny fianakaviana ny razana, ary efa nosokafana tamin’io ihany koa ny fanadihadiana rehetra. Ny zandary any an-toerana no miandraikitra izany, raha ny vaovao azo hatrany.
Mazàna tokoa moa ny faran’ny herinandro tahak’ity dia tsy hilaozana lozam-pifamoivoizana izany, na amin’ny lalam-pirenana na ny teto an-drenivohitra. Tamin’ny marainan’ny alahady io ihany koa mantsy dia nisy lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Ankadindramamy, lalam-pirenena faharoa. Fiarabe iray nitondra vato no nilaozan’ny hisatra ary niafara teny amin’ny tranom-barota iray teo amoron-dalana. Difi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolahy natory sy niambina io tsena io, raha rava tsy nisy noraisina intsony izany.
m.L