- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN1 : Mahafaty mpandeha scooter hatrany

RN1 : Mahafaty mpandeha scooter hatrany

Misetrasetra. Izay ny tena anton’ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena voalohany izay hany mba sisa tsara eto amin’ny firenena. Vao ny faran’ny herinandro teo indray no nisy tanora namoy ny ainy rehefa nitrifana teny. Dia mbola nisy iray hafa koa izay naratra mafy rehefa nisingona fiarakodia kanjo nifatratra tany amin’ny fiara iray hafa nandeha tamin’ny lalana mifanohitra tamin’ny lalan’ilay moto. Ny fiarakodia amin’io tsy nandeha mafy akory saingy nidiran-doza noho ny tsy fitandreman’ny moto. Raha ny antontan’isa dia olona dimy no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nandritry ny faran’ny herinandro teo. Teny amin’ny lalam-pirenena avokoa izany. Ho an’ny RN1 manokana dia betsaka izay efa namoy ny ainy teo izay ary betsaka koa ny mitondra takaitra. Indrindra rehefa misy hazakazaka mekanika hatao eny Imerintsiatosika dia toa ireo mpijery handeha hamonjy izay indray no mifanenjika eny an-dàlana ary mitera-doza. Hatreto dia ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny scooter hatrany no tena mitazona ny laharana voalohany amin’ny antontan’isa avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Mbola ireo koa be maty indrindra. Efa nisy ihany ny fanentanana samihafa izay ataon’ny fikambanana na ny fanjakana saingy mbola mitohy hatrany ny lozam-pifamoivoizana ataon’ny moto ary scooter hatrany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Miarahaba!
    Mipetraka eny Imerintsiatosika izahay ary nihazo an’Antananarivo ny alahady 07/09/25 maraina teo. Teo Ambatomirahavavy no nifanena tamina scooters maromaro izay tena nandeha mafy tokoa: scooters tsy latsaky ny dimy (05), ao anaty fiolahana mifanesy sady somary fiakarana zareo no misongona fiara mifanarakaraka. Ilay misongona amin’io tena ilay mandeha mafy misopirana ireny mihitsy! Vao tazako zareo tonga dia sady nampidiniko ny hafainganampandehako, nandefa « feu de détresse » aho, no ni-klaxonne avy hatrany.
    Ianao mifanena aminy indray no matahotra satria raha voan-draha zareo ka mifatratra any aminao dia ianao no mahazo loza tsy fidiny.
    Mangataka amin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny mba hijery akaiky ny momba ireo mpitondra scooters ireo fa tena loza mandehandeha mihitsy zareo ireny! Mazava ho azy fa ny fisotroana zavapisotro mahamamo rehefa tonga amin’izay toerana aleha dia tsy ferana mihitsy

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici