Natao savahao ireo jiolahy izay tompon’andraikitra tamin’ny fanakanan-dàlana. Raha ny fanazavana azo dia nisy olona izay nahafantatra ny sasany tamin’ireo mpanafika. Rehefa azon’ny zandary ny vaovao mahakasika izany dia natao ny fitadiavana azy ireo teo amin’ny tanàna voatondro. Nisy hatramin’ny fitsirihana ny tranon’ireo noahiahiana. Hita tao ny basy, ny pilotra, ny masolavitra, ny famaky, ny antsilava, ny mohara sy ny fitaovana hafa fanatontosana fanafihana. Nisy ny nitsoaka avy hatrany raha vao nahita ny zandary ary na dia teo aza ny tifi-danitra natao mba hampijanona ireo olona dia tsy izany loatra no nitranga. Voatery notifirina ary maty ny roa. Teo Antaniditra no nitranga ny fanafihana taxi-brousse ny alakamisy teo, tamin’ny fito ora maraina. Ny andron’iny ihany dia efa raikitra ny fanarahan-dia sy ny savahao izay niafara tamin’ny fahitàna ny fieren’ireo jiolahy. Mpandeha tao anatin’ny taxi-brousse ihany no afaka niantso ny zandary ary nanomboka teo ny fikarohana rehetra izay natao. Ny roa izany no voasambotra raha maty ny roa. Miteraka ahiahy hatrany ny fandehanana amin’ny lalam-pirenena noho ny afitsoky ny mpanakan-dàlana. Tsy ary ho ampy ny zandary izay hiambina izany ary mila ny fanomezan-tànana avy amin’ny olon-tsotra mba hahafahana mamantatra ireo olon-dratsy.
D.R |