Olona iray no maty, iray hafa naratra mafy. Io novokatry ny fifandonana teo amin’ny fiara mpitatitra Sprinter sy ny môtô iray teny amin’ny lalam-pirenena voalahany (RN1) ny zoma 28 jona lasa teo tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany teo ho eo. Araka ny loharanom-baovao avy eo amin’ny zandarimaria, dia avy any Ankadinondry-Sakay ho aty Antananarivo ity fiara ity no nidona tamin’ilay môtô nifanena taminy. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpitondra azy. Naratra mafy kosa ilay olona iray nentiny niaraka taminy. Araka ny fanazavana, dia fandehanana mafy teo amin’ny andaniny sy ny ankilany no nahatonga ny loza. Mbola lozam-pifamoivoizana eo amin’ny môtô ihany saingy teny amin’ny lalam-pirenena faha-3 kosa no nisehoan’izany. « Scooter » sy moto « cross » no nifandona raha nifanena tao amin’ny tanàna atao hoe Manjaka, ao amin’ny fokontany sy kaominina Ankadikely-Ilafy, distrika Antananarivo-Avaradrano ny zoma 28 jona tamin’ny 5 ora hariva tany ho any. Araka ny fantatra dia mbola fandehanana mafy ihany no nahatonga ny loza, satria dia mahitsy ilay làlana ary azo lazaina fa tena nalalaka ka nanararaotra izany angamba ireo mpitondra môtô.
T.M.