Nandriaka indray ny rà omaly tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny, tetsy Alakamisy Fenoarivo. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano, rehefa nianjera avy teny ambonin’ny môtô izay nentiny. Vaky ny lohany ary nipotsaka ny atidohany.
Omaly tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany tolakandro teo no nitranga ny loza araka ny fanazavana nomen’ny zandary teny an-toerana. Môtô Jog iray no potika ary aina iray no nafoy tao anatin’ny indray mi-pi maso fotsiny. Araka ny voalaza dia hoe nisongona fiara iray «Sprinter » ity môtô ity kanefa tsy nahasongona ary voadona. Nanomboka tsy voatana intsony ny familiana ary niakarapoka tamin’ny tany ilay môtô niaraka tamin’ny mpitondra azy. Tsy nanao aroloha ihany koa ity raim-pianakaviana 37 taona tamin’io fotoana kanefa ny lohany no nidona mafy tamin’ny arabe, ka vaky. Tsy vitan’izay anefa, fa mbola nosarihan’ilay môtô tokony ho metatra vitsivitsy ihany koa. Rapan’ ny arabe tanteraka ny handriny sy karandohany iray manontolo iny. Araka ny vaovao azo tamin’ireo mpitandro filaminana hatrany, dia tsy tazana teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ilay fiara voalaza fa nandona azy ireo, fa mbola nanohy ny diany ihany. Tsy nahafantatra sa ninia nitsoaka ? « Efa nampilazana avokoa ireo zandary eny amin’iny lalam-pirenana iny, mba hisakana azy hoy hatrany ny fanazavana ary efa nisy mpitandro filaminana nasaina nanenjika avy aty aoriana ». Marihana, fa samy hiakandrefana avokoa izy ireo, na ilay kodiaran-droa niharan-doza na ilay fiara voalaza fa nandona azy. Efa tonga teny an-toerana, fotoana fohy taorian’ny loza moa, ireo zandary tompon’andraikitra amin’iny faritra iny, nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana. Fa mbola izay resaka lozam-pifamoivoizana izay ihany. Môtô iray ihany koa no nifandona tamin’ny fiara tetsy Bypass afak’omaly. Potika tanteraka ity kodiaran-droa ity ary naratra mafy ilay mpitondra azy. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana moa ity farany, ary efa nandray ny andraikiny tamin’ny fijerena ifotony sy ny fanokafana fanadihadiana ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny.
m.L