- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversRN1 : Nisetrasetra tamin'ny môtô, karohin'ny zandary

RN1 : Nisetrasetra tamin’ny môtô, karohin’ny zandary

Mpandeha kodiaran-droa no nisafidy ny hivoaka kely miaraka. Fanao matetika ihany izany mba hanamarihana ny fankafizana iraisana. Na ny mpitia fiara izay mitovy marika na koa ny môtô dia saika mifampitaona matetika toy izany mba hifankalalàn’izy ireo ary mba hifanampiana amin’ny fikarohana ny piesy. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia nisafidy ny nizotra tany amin’ny lalam-pirenena voalohany ny mpitia kodiaran-droa maromaro. Nizotra tsara izany tany am-boalohany, satria mba samy nanaja ny fepetra ny ankamaroan’ireo mpandray anjara. Tampoka teo anefa, akory ny hagagan’ireo mpandeha môtô raha nisy iray izay tena nisetrasetra ary nivarotr’aina tanteraka. Nisisihany ny teo am-poavoan’ny môtô roa nifanakaiky, nohitsiny ny fiara izay tamy avy any amin’ny ilan-dàlana ary dia nandefitra fotsiny ireo raha tsy izany dia rà nandriaka no niseho. Tsy tonga saina mihitsy ity mpitaingina môtô ity, fa efa mizotra any amin’ny famonoan-tena sy famonoana ny hafa ny nataony. Ny tsikaritra dia toa efa nivonona ny hisetrasetra ity tanora ity, satria nasiany “caméra embarquée” ny aro lohany. Izany hoe noraiketiny tao anaty horonan-tsary avokoa ny ditrany sy ny diany. Dia avy eo iny naparitany tamin’ny tambajotra sosialy indray. Tsy nisy afats’izay ny resaka tao anatin’ny vondrona momba ny kodiaran-droa, omaly. Ny ankamarona’ireo mpampiasa môtô dia tezitra tamin’ny nataon’ity tanora ity, satria manaratsy endrika azy ireo izany, kanefa olom-bitsy no tsy mahafehy tena. Raha ny fantatra, dia nanaraka akaiky ilay horonan-tsary koa ny zandary ary tapa-kevitra ny hikaroka ilay tompon’andraikitra. Izany dia mba ho fiarovana ny ainy sy ny hafa, satria tena ahiana hahafaty ny fanamorian’ilay tanora ny kodiaran-droany. Olona aman’arivony maro no indray nanaraka sy liana momba ity tranga ity. Efa matetika loatra mantsy ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny tsy fisetrasetran’ny mpandeha môtô sasany, saingy tsisy porofo. Izao kosa dia izy tenany ihany no naka sary izany…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici