- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRN1 : Potika ny fiara, nandriaka ny rà, maty ny mpamily

RN1 : Potika ny fiara, nandriaka ny rà, maty ny mpamily

Loza mahatsiravina ! Iray no namoy ny ainy, efatra ireo naratra mafy. Ireo no vokatry ny fivadibadihana fiara kely iray tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny, tany Tsiroanomandidy, omaly.

Karaom-by tokoa sisa  no hany sisa tavela tamin’ilay fiara kely iray marika « Land Rover » izay niharan-doza teo Mandorovolomaso, alohan’ny hidirana an’Andranomadio, Tsiroanomandidy. Araka ny fanazavana nentin’ny kaomandin’ny tobi-paritry ny zandary any an-toerana dia tokony ho teo amin’ny 12ora sy sasany teo no nitranga ity loza ity. Fiara nentina mpitsabo nentim-paharazana iray mipetraka ao Andranomadio izy io, hoy hatrany ny fanazavàna. Niaraka tamin’ity farany ny vadiny, ny rahavavim-badiny ary naman’izy ireo anankiroa hafa. Namoy ny ainy teo ho no eo moa ilay mpamily raha ny fampitam-baovao hatrany, izay voatery nosokirina mihitsy tao anatin’ireo korontam-by. Ireo olona efatra ambiny kosa, samy naratra mafy avokoa ary nentina novonjena tao amin’ny hopitaly CHR Bongolava. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Nanampatra tanteraka ny tanjaky ny fiara nentiny ny mpamily rehefa nahazo vahalava iray, izay niala ny tananan’i Tsiroanomandidy mitodi-doha aty an-drenivohitra ity. Ny tsy nampoizina anefa, hoy hatrany ny vaovao dia nisy fiolanana tampoka alohan’ny hiditra ny tananan’Andranomadio ka teo no tsy voatana intsony ny familiana ary nivoaka ny lalana ilay fiara kely, tao anatina feon-kodiarana nihisatra tamin’ny arabe. Tao anatin’ny indray mipi-maso monja dia nivadibadika izany fiara izany ary nivarina tany an-kady no niafaràny. Potika tanteraka tsy nisy azo noraisina izany fiara izany, araka ny vaovao voaray hatrany. Ny olona sendra nahita ny loza no niezaka nampandre haingana ny manodidna sy ny tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana, hamonjy irony olona tra-doza. Taorian’ny famonjena ireo naratra sy ny fitondrana ny razana tany amin’ny hôpitaly, dia fantatra fa nandray an-tanana ny raharaha tamin’ny alalan’ny fanadihadiana ireo zandary tany an-toerana.

Fa ankoatr’ity tany amin’ny RN1 ity dia fantatra ihany koa fa lozam-pifamoivoizana maromaro ihany no nitranga teo an-drenivohitra raha ny omaly. Ny tetsy Ankadikely Ilafy, môtô iray no nifatratra tamina taxibe. Tetsy amin’ny lalan’i Masay, fiara roa no nifandona, izay voalaza, raha ny angom-baovao azo teny an-toerana fa ny iray tamin’ireo mpamily dia toa hoe nandray zava-pisotro ary ny farany tetsy amin’ny lalam-pirenena fahafito hiditra ny renivohitra iny, fiara iray no saika nandona mpianatra niampita. Na dia azo lazaina fa tsy misy namoizan’aina avokoa aza ireto lozam-pifamoivoizana nitranga teto ireto dia efa nanimbana fananana, naharatrana ary nampitondra takaitra olona. Ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona tokoa isika izao mila mailo, mitandrina ary mandray andraikitra ny rehetra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici