- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversRN1 : Raim-pianakaviana maty, may niaraka tamin’ny motony

RN1 : Raim-pianakaviana maty, may niaraka tamin’ny motony

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no nitranga tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny ny alakamisy lasa teo. Kodiaran-droa iray no nirehitra ary may niaraka tamin’izay ny mpitondra azy. Namoy ny ainy teny an-dalana hitondràna azy ho any amin’ny toeram-pitsaboana moa ity farany.

Teo amin’ny toerana antsoina hoe Andranomadio, ao anatin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy no niseho ity lozam-pifamoivoizana, ny andron’ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any. Raim-pianakaviana iray handeha hamonjy asa any Ankadinondry no niharam-boina teo. Araka ny angom-baovao azo dia nitaigina moto scooter Jog ny tenany rehetra mandeha miasa. Tamin’io indray mitoraka io dia tsy fantatra mazava izay nahazo ity kodiaran-droa nentiny ity fa tsy voatanany intsony ny familiana raha iny izy handeha hiditra fiolanana mampidi-doza izy ary niakarapoka tamin’ny tany. Voa mafy teo amin’ny lohany ity ilay raim-pianakaviana tamin’izay fotoana izay. Tetsy andanin’izay anefa, nirehitra ihany koa ilay moto nentiny. Voalaza fa nisy tselatr’afo nivoaka tamin’ny kodiarana ary nahazo ny fitoeran-tsolika. Efa tsy nahatsiaro tena intsony moa ilay nitondra ka dia niaraka may tamin’ilay kodiaran-droa. Olona sendra nahita azy no niezaka namonjy sy nanala azy tao anaty afo, raha ny angom-baovao azo, saingy indrisy fa tsy tana intsony moa ny ainy.  Ambonin’ny faharatrana nahazo tamin’ilay fianjerana mantsy dia mbola nisy faritra may ihany koa ny vatany, izay heverina fa izao nitarika tamin’ny fahafatesany izao. Ilay kodiaran-droa kosa tsy nisy azo noraisina intsony ankoatra ny karaokam-by navelan’ny afo.

Loza nisesisesy. Fa ankoatra izay dia maromaro ihany ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamina kodiaran-droa teto an-drenivohitra, omaly indray. Tetsy Antanimenakely Ampitatafika dia lehilahy iray izay nentina tamina moto no naratra mafy rehefa voahitsakana kodiarana kamiao lehibe iray teny an-toerana. Raha ny fantatra dia toa hoe lany rivotra ilay fiarabe ary nifaoka ity moto ity, rehefa avy nanapitra ny diany tamina rindrin’olona teny an-toerana. Efa nentina nihazo ny hopitaly moa ilay naratra. Tetsy amin’ny digue Ambodihady ihany koa, moto iray no voadonana fiara tsy mataho-dalana iray. Voalazan’ireo nanatri-maso fa nivily tampoka handeha hanao “demi-tour” ity farany tamina lala-mahitsy, tsy nahita akory ilay moto nipoitra avy any. Vehivavy iray mitondra vohoka, nentina tamin’ilay kodiaran-droa moa no fantatra fa voa mafy tamin’ity loza ity izay efa nentina nihazo toeram-pitsaboana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici