- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversRN1 sy RN4 : Miverina ny fanakandalana, taxibrousse roa lasibatra

RN1 sy RN4 : Miverina ny fanakandalana, taxibrousse roa lasibatra

Nahazo vahana tanteraka tato anatin’ny andro vitsivitsy izay ireo asan-jiolahy isan-karazany, na any ambanivohitra izany na aty an-drenivohitra, ary dia izao miverina izao indray ny fanakan-dalana. Teny amin’iny lalam-pirenana fahefatra iny ary dia fantatra fa fiara iray nitondra mpandeha no afaka soa aman-tsara tamin’ny fanakan-dalana saika nahazo azy ireo, teny akaikin’iny faritra Manerinerina iny, afaka omaly alina. Araka ny filazan’ny sasany tamin’ireo mpandeha dia avy any an-drenivohitr’i Boina izy ireo, ary handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra. Kilaometatra vitsy tsy ahatongavana teo amin’ny tanàna anefa no nisy vatobe nisakana niampy hazo teo am-povoan-dalana, ary tsy nahafan’ny fiara nizotra. Nivoaka ny sasantsany tamin’ireo mpandeha nanala ilay sakana, ary soa ihany fa mba afaka tsy nisy naninona izy ireo, nihazo ny lalan’ny renivohitra, raha ny fanazavana azo hatrany. Fa tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny, na RN1, mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano, (RN1 bis) dia nisehoana fanakan-dalana toa izany koa. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy afaka tamin’ny vela-pandrik’ireo jiolahy ny taxi-brousse iray, ny sabotsy lasa teo. Raha ny fanazavana azo dia efa nandrasan’ireo olon-dratsy ity fiara mpitatitra olona ity, ka vantany vao nipoitra sy tafajanona tamin’ny sakana nataon’izy ireo dia niteniteny ny basy. Na izany aza, efa mailo ny mpamily ka nitady ny hirika rehetra nanafahana ny fiara. Hany ka tsy nahazo n’inona ireo olon-dratsy. Mpandeha iray kosa no fantatra fa naratra mafy. Etsy andanin’izay ihany koa, ny talata maraina lasa teo,  fiara maromaro avy any Maintirano no saika niharan’ny fanafihan-jiolahy  ihany koa. Niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana anefa ny mpamily raha vao nahatazana fihetsiketsehana mampiahiahy teo anoloan’izy ireo, ka dia rava maina ny fanafihanan’ireo  malaso, izay samy niporitsaka avokoa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser