- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversRN1 : Taxi-brousse nivadika, zaza iray namoy ny ainy

RN1 : Taxi-brousse nivadika, zaza iray namoy ny ainy

Nandriaka indray ny rà tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny omaly maraina. Taxi-brousse iray avy ao an-drenivohitr’i Bongolava tao, handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra no nivadika, alohan’ny hiditra an’Analavory. Vokany, ankizikely iray no maty tsy tra-drano. Mpandeha am-polony teo kosa no naratra mafy. Tokony ho tamin’ny efatra ora mahery kely teo no niseho ny loza, raha ny fampitam-baovao azo. Toa ireo fiara fitaterana mindrina an’iny lalam-pirenena voalohany dia tena nandeha mafy tokoa ity fiara sprinter ity. Malalaka rahateo moa ny lalana no sady somary mahitsy daholo manomboka any Tsiroanomandidy ka hatreo Analavory. Na dia izany aza anefa dia maro ireo sakana isan-karazany eny an-dalana, toy ireo ranon-tany mihotsaka ka manembatsembana ny lalana. Sendra niala ny iray tamin’ireny indrindra ity sprinter ity no tsy tana intsony ny familiana ka dia nivadibadika. Voalaza fa tafapitika tany ivelany ity zaza ity ka antony nahafaty azy teo no ho eo. Voantsindrin’ilay fiara. Niara nisalahy avy hatrany moa ireo fokonolona teny an-toerana, niezaka namonjy ireo mpandeha tao anatin’ilay fiara, ary nitondra ny naratra tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nisy amin’ireo naratra mafy no avy hatrany dia nampakarina taty an-drenivohitra. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo mpitandro filaminana nanao ny fizahana ifotony ary nanokatra ny fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici