Angamba tsy ho lasa resabe fotsiny ity fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena hanarina sy hanamboatra ity lalam-pirenena faha 12 A izay miainga avy eo Vangaindrano hatrany Tolagnaro ity. Tena hozatry ny toe-karem-pirenena tokoa iny toerana iny saingy indrisy fa hadino tanteraka mba tsy ilazana fa nariana fotsiny izao fa mety manelingelina ny tombotsoan’ny sasany angamba. Ohatra iray ity hita amin’ny sary ity. Potika tanteraka ilay « bac » ao Masianaka. Fiara iray sisa no afaka ampitaina eo raha mba nisy roa izany teo aloha. Vokany, mitohana tanteraka ny fiampitana eo nefa io no iankinan’ny fitanterana rehetra any amin’iny faritra iny. Tsy lazaina intsony ny lalana izay ratsy dia ratsy.
T.M.