Tena habibiana tanteraka ny namonoan’ireo olon-dratsy ity raim-pianakaviana iray tany amin’iny distrikan’i Betroka iny. Rehefa avy notaperin’izy ireo ainy, dia natsipiny teny amin’iny làlam-pirenana faha-13 ny razana. Tsy ela anefa dia sarona izy ireo.
Ara-potoana ! Ny harivan’ny zoma lasa teo dia nisy nampandre avy hatrany ny tobim-paritry ny zandary avy ao Betroka, fa misy fiarabe miloko fotsy nanary fatin’olona tao anaty gony tamin’iny làlana RN13 iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe Bemelo, kaominina Ianabinda, 45 kilaometatra tsy hiditra an’i Betroka, raha avy any Isoanala. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro ny filaminana ary niezaka nanao sakana hisamborana ilay fiara. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandarimariam-pirenena, dia sarona teo amin’ny toerana iray, efatra kilaometra tsy tonga ao an-tampon-tananan’i Betroka ilay fiarabe. Saingy voalaza, fa tsy tao intsony ny mpamily ity fiara ity, ary feno rà tao anatin’ny « cabine ». Nentina nogiazana avy hatrany moa ilay fiara ary nanomboka teo ny fikarohana izay olona tao anatin’izany.
Loharanom-baovao tsara sitra-po hafa no tsy io fiarabe io irery no tazana tany amin’ilay toerana nanarian’izy ireo an’ilay razana, fa nisy fiara tsy mataho-dalana hafa, nanaraka azy avy ato afara. Heverina avy hatrany araka izany fa io « 4×4 » io no nitondra ireo olona tao anatin’ilay fiarabe; izay nahiahiana fatratra ho tompon’antoka tamin’ilay vono olona. Tamin’io hariva io dia raikitra ny hazalambo natao an’ilay fiara. Tokony ho tany amin’ny sivy ora alina tany ho any no tra-tehaka tao Ianabinda izany fiara izany, niaraka tamin’ireo olona tao anatiny.
Raha vao nahatazana ireo mpitandro filaminana anefa ireo olona tao anaty fiara, avy hatrany dia nanohitra sy nanambana basy ireo zandary. Voatery nampiasa tetik’ady araka izany ireto farany ka tsy afa-nankaiza akory ireto olon-dratsy dia voafehy. Lehilahy efatra no indray nosamborina tao. Azo antoka teo noho eo ihany, fa ireto farany no tompon’antoka tamin’ilay fanariana faty , teny amin’ny arabe. Voalaza mantsy fa mbola nihoson-drà ry zalahy. Tsy vitan’izay fa mbola nahitana antsy feno rà; izay azo heverina fa mety ho fitaovana nentiny namono ilay raim-pianakaviana sy basy poleta tany amin’izy ireo. Nentina nofotorana avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary ireto mpamono olona ireto, ary nogiazana ihany koa ilay fiara tsy mataho-dalana. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ity vono olona ity. Fanakanan-dàlana sa habibiana fotsiny ? Ny hany voalaza dia toa hoe mpamilin’ilay fiarabe ilay lehilahy novonoin’izy ireo. Efa mandeha moa ny fanadihadiana amin’izay lafiny izay.
m.L