- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRN13 – Isoanala Betroka : Taksiborosy notafihan’ny dahalo, mpamily iray maty, voaroba...

RN13 – Isoanala Betroka : Taksiborosy notafihan’ny dahalo, mpamily iray maty, voaroba ny mpandeha rehetra

Nitrangana fanafihan-dahalo an-dàlam-be nitam-piadiana indray tamin’ny RN13 iny, ny alin’ny alarobia hifoha  alakamisy. Fiara taksiborosy « carandal » iray nitondra mpandeha niainga avy teto an-drenivohitra hihazo an’i Tolagnaro, no notafihan’ny telopolo lahy nitam-basy, tao an-tanànan’i Manakilova Tsimitsoy, Kaominina ambanivohitra Isoanala, Distrikan’i Betroka, ka maty voatifitra namoy ny ainy ny mpamilin’ny fiara. Olona iray hafa kosa naratra mafy ka mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly. Raha ny vaovao voaray, mba nentin’ireo mpanakan-dàlana nampijanonana haingana an’ity taksiborosy ity, dia nanao tifitra variraraka ireo olon-dratsy, ka voan’ny bala teo amin’ny kibony ny mpamily, ary noho ny ratra mafy nahazo azy, dia namoy ny ainy ity farany.

Dahalo roa no maty voatifitry ny fokonolona. Rehefa tsy afa-nandeha intsony ity taksiborosy, dia norobain’ireo andian-dahalo ny mpandeha rehetra, ka lasa tamin’izany avokoa ny vola, firavaka ary entana lafo vidy isan-karazany. Ary anisany very nandritra ny fanafihana ny fananan’ireo atleta solontenan’ny Faritra Anôsy avy niatrika fifaninanam-pirenena farany teo, tao Antsirabe Vakinankaratra. Araka ny tati-baovao azo hatrany, tsy nijanona teo amin’ny fanafihana taksiborosy ity ireto andian-dahalo nitam-piadiana, afak’omaly alina ireto, fa mbola nanafika naka omby tao an-tanànan’ Andaro, ka raikitra ny fifandonana tamin’ny Fokonolona. Noho ny firaisankinan’ny vahoaka, dahalo roa no maty lavon’ny bala, raha azo sambo-belona tsy afa-nitsoaka ny malaso iray voatifitra teo amin’ny tongony, izay tapa-tongotra tanteraka tsy afa-namindra intsony.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici