- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN13 : Mpitandro filaminana sandoka nahatratrarana basy sy ody gasy

RN13 : Mpitandro filaminana sandoka nahatratrarana basy sy ody gasy

Mamaivay ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 aty an-drenivohitra sy amin’ireo faritra hafa. Ny any Atsimon’ny Nosy iny kosa, ankoatra izay ady iombonana izay dia isan’ny mahazo vahana ny resaka tsy fandriam-pahelamana. Tsy mikely soroka amin’izany ireo mpitandro filaminana any an-toerana, mametraka paik’ady matotra hiadiana amin’ny asan-dahalo, izay tena nirongatra tanteraka tany an-toerana.

Teny amin’ny lalam-pirenena faha-13 mampitohy an’Ihosy sy Betroka iny dia fantatra fa lehilahy iray no nosamborin’ny zandary avy ao Ihosy misahana ny fifamoivoizana, rehefa nahatratrarana fitaovam-piadiana sy ody gasy maroamaro tany aminy ny herinandro lasa teo. Efa nisy ihany ny angom-baovao azon’izy ireo mahakasika ny fisian’ny lehilahy iray mampiahiahy nandray fiara ho any amin’iny faritra iny. Napetraka avy hatrany ny sakana ka tra-tehaka tao anaty fiara mpitatitra iray, taxi-brousse ho any Betroka, ity olona ity. Nampidinina avy hatrany ingahirainy ary nosavaina ny entana. Akory ny hagagan’ny rehetra fa nahitàna fitaovam-piadiana tokoa tao, basilava iray izay noravaravana ho antonona ao anaty sakaosy. Tsy vitan’izay fa mbola nahitàna fanamiana mpitandro filaminana ihany koa tao anatiny, ankoatra ireo ody gasy, moara sy tapa-kazo marobe. Nentina notanana avy hatrany nofotorana tany an-toerana moa ity lehilahy ity ary nogiazana ihany koa ireo entany. Mitohy ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici