- Publicité -
mercredi, août 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN2 : Ahitana lozam-pifamoivoizana am-polony isan’andro

RN2 : Ahitana lozam-pifamoivoizana am-polony isan’andro

Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny onivesiten’i Toamasina, noho ny zava-misy amin’ny lalam-pirenena faha-2 izay ahitana lozam-pifamoivoizana am-polony isan’andro raha ny tatitry ny zandarimariam-pirenena, ka mazana miteraka faty olona. Isan’ny niharan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena faha-2 mantsy ny naman’izy ireo, izay sojaben’ny sampam-pampianarana fitsaboana eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, ka namoizany ny zanany vao am-bolana sy ny fianakaviany akaiky ary niteraka faharatrana goavana ho azy mivady izay mbola mitsabo tena goavana ankehitriny. Tsy nitsitsy fehin-teny ireto mpampianatra mpikaroka ireto, ka manao antso avo amin’ny fanjakana amin’ny fampanajana ny lalàna, satria miteraka tahotra ho an’ny mpitatitra sy mpampiasa ny lalana ny fandehanana amin’ny RN2. Mitaky sy manao antso avo izy ireo, fa tokony tsy  ho azon’ireo kamiao atao ny mijanona sy matory amoron-dalana raha tsy voahaja ny elanelana araka ny lalàna ho amin’izany. ny fandrarana tsy misy fijerena tavan’olona ho an’ny fiara rehetra mijanona anaty fiholanana sy anatin’ny takona nefa tsy manao fampilazana manokana hahalalana izany, ho an’ny mpamily. Fanasaziana tsy misy fepetra ireo mahatonga ny loza ary tsy tokony hijerena tavan’olona izany na iza na iza, ary ny fametrahan’ny tompon’andraikitra laharana maitso miasa 24ora mba hilazan’ny mpampiasa ny lalana ny zava-misy amin’ny RN2. Vonona hiara-kiasa amin’ireo tompon’andraikitra ny mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, ary manao antso ho an’ny rehetra hanohana azy ireo, satria ny tanjona dia tsy ho tranom-patin’ny hopitaly, na fiara mpamonjy voina no hiafaran’ireo mpampiasa sy mpandeha amin’ny RN2…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici