- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRN2 : « Ambulance » nivadika

RN2 : « Ambulance » nivadika

Omaly maraina no nitranga ny loza teo amin’ny PK 38+200 , lalam-pirenena faharoa. Teo amin’ny fokontany Marovohitra, kaomina Sambaina raha araka ny fanazavan’ny zandary. Noho ny olana ara-mekanika no nivoahan’ilay fiara mpitondra marary tamin’ny làlana ary nivadika tany anaty hatsana. Naratra mafy ny mpamily saingy tsy misy atahorana ny ainy rehefa voatsabo tao amin’ny CSB2 Sambaina izay sady toeram-piasany ihany rahateo. Io toeram-pitsaboana io ihany koa izany no tompon’ity « ambulance » nivadika ity.

 Miarinarivo : Rangahy matin’ny herinararatra

Ny andron’ny 26 jiona teo no nitranga ny loza. Rangahy 37 taona manan-janaka telo no nidiran-doza teo am-pikarakaràna ny manodidina ny tokantranony. Notapahiny ny hazo izay manelingelina. Nianjera tany amin’ny fil mpitondra herinaratra anefa izany ary avy eo indray dia mbola niafara tany amin’ny vatan’ilay rangahy. May teo izy ary maty tsy tsa-drano vokatr’izany. Nentina tao amin’ny hopitalin’i Miarinarivo ny razana natao fizahana ary natolotra ny fianakaviany rehefa vita izany.

Tanà : Mitera-doza ireo lavaka be an’ny Jirama

Taxi-be roa no nilatsaka tao anatin’ny lavaka izay nataon’ny Jirama mba hanitrihana ireo fantsona vaovao mitondra rano. Tetsy Androndrakely no niseho izany ny asabotsy teo. Sady tsy misy marika famantarana no tsy misy olona mba miandraikitra fampahafantarana ny fisian’ny lavaka hany ka dia nandeha fotsiny amin’izao ny fifamoivoizana izay nitera-doza anefa. Ny mpandeha tamin’ireo fiara fitaterana no mba nanampy ny mpamily tamin’ny famoahana ireo fiara tao anatin’ny lavaka be. Soa fa mba tsy nisy ny naratra. Tsara ny fanamboarana fa mba tokony hanaraka ny fenitra mifanandrify amin’izany.

nangonin’i D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici