- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversRN2 : Andian-jiolahy mpangalatra entana ambony tafo, nifanenjehan’ny mpitandro filaminana

RN2 : Andian-jiolahy mpangalatra entana ambony tafo, nifanenjehan’ny mpitandro filaminana

Tsy vitsy tokoa ny mikaikaika amin’ny afitsoky ny andian-jiolahy eny amin’iny lalam-pirenena faharoa iny, indrindra fa ireo fiara mpitatitra izay mandeha alina. Manomboka miala kely ny tanànan’i Brickaville ka hatrany amin’ny 30 kilaometatra tsy hiditra ny renivohitr’i Betsimisaraka no tena mamely ireo tontakely ireo. Misy ampahan-dalana somary ratsy mantsy amin’izany lalam-pirenena izany, ka iny rehefa voatery mandeha mora iny ny fiara no miakatra eny ambony tafo ireto andian-jiolahy ary manao ny asa ratsiny, mampidina ireo entana eny. Efa fiara maromaro raha ny fantatra no efa lasibatra tamin’iny asan-jiolahy ity. Omaly vao mangiran-dratsy ary, teo amin’ny 40 kilaometra tsy hiditra ny tanan’i Toamasina no sendra andian-jiolahy maromaro ny fiara iray, izay hitodi-doha hiatsinana iny. Tsy nampoizin’ireto olon-dratsy ireo anefa fa nisy mpitandro filaminana tao anatin’ity fiara ity. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany, nifampitana tamin’ireto andian-jiolahy ireto. Velona mihitsy tamin’izany ny tifi-danitra nataon’ireo mpitandro filaminana ho fampitahorana ireto olon-dratsy. Rifatra nitsoaka avy hatrany ireto farany, tsy nahantanteraka ny asa ratsiny ary raikitra teo ny fifanenjahana. Nafenin’ny haizina avy hatrany moa izy ireo ka dia tafaporitsaka. Efa nampandrenesina ny mahakasika ity raharaha ity ireo mpitandro filaminana any an-toerana ary efa mandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy nitsoaka.

m.L / Janus

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici