Namono olona indray ny lalam-pirenena faharoa ny faran’ny volana lasa teo. Ankizilahy kely vao dimy taona monja no namoy ny ainy vokatry ny fandonan’ny fiara tsy mataho-dalana iray azy teo Carion. Tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro teo no nisehoan’ny loza, raha ny tatitry ny zandary, teo amin’iny PK 30 amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Fiara tsy mataho-dalana marika Kia Sorento, ana orinasa mpivarotra fiara iray etsy Ivato ity nandona olona ity. Araka io tatitra io hatrany mantsy dia niampita ny arabe tampoka io ankizy kely io tamin’ny fotoana nandalovan’ilay fiara. Mazava ho azy fa tsy hitan’ity farany mihitsy ny fisian’izany olona nanapaka tampoka ny lalany izany. Izy rahateo, inoana fa tsy maintsy ho nandeha mafimafy ihany satria nahazo lalana malalaka. Mazana ihany koa anefa ny tara-masoandro amin’iny lalana iny, indrindra fa rehefa dila ny mitataovononana iny no tena mahajambena tanteraka ny mpamily ka tsy ahitàna velively izay eo aloha mihitsy. Na dia eo aza anefa izany dia mbola misy mpamily sahy mandeha mafy ihany ka dia izao no vokany. Raha ny vaovao hatrany dia naratra mafy ity ankizy ity tamin’iny fotoana nahavoa azy, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy nony tonga tany amin’ny hôpitaly. Efa tonga teny an-toerana ary nandray an-tanana avy hatrany ny fanadihadiana rehetra ny zandary avy eo Carion. Ary satria nisy olona namoy ny ainy, dia tsy maintsy notazomina ny fiara, ary natao andrimaso any amin’iny biraon’ny zandary ny mpamilin’izany fiara izany.
m.L