- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRN2 : Fanafihana fiara, vehivavy no atidoha

RN2 : Fanafihana fiara, vehivavy no atidoha

Jiolahy  sivy no voasambotry ny zandary tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, ny herinandro lasa teo. Izy ireo dia anisan’ny mpanakan-dàlana sy mpitora-bato ireo fiara mindrana iny làlam-pirenena iny, indrindra fa amin’ny alina, teo amin’ny manodidina an’i Brickaville teo. Isan’ny nampikolay ireo mpindrana iny lalam-pirenena faharoa iny, tato anatin’ny fotoana maromaro izay ny fisian’ ireo olon-dratsy ireo. Efa fiara maromaro no mitairana fatratra vokatr’izay. Teo anatrehan’izay, dia nisy ny hetsika manokana nataon’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny fiambenena sy fanaraha-maso iny ampahan-dalana iny. Nody ventiny ny rano nantsakaina araka izany, fa izao voasambotra izao ireo ati-doha tomponantoka tamin’izay. Nisy fito ireo olon-dratsy no tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny. “Nisy fiara 4 no notorahan’izy ireo ka taxi-brousse ny roa, 4X4 ny iray ary camion ny iray hafa. Ankoatra ireo zandary izay manao fisafoana ny lalana mirefy eo amin’ny 5 km fanaovan’ireo olon-dratsy ireo ny toraka, dia nisy fiara nisy zandary tao anatin’ireo tandavana fiara ireo. Tsy afaka nandroba ireto fiara noho izany ireo mpangalatra ireo fa nandositra ka mora ny nanarahana azy ireo tany anaty alam-pary fandosirany”.  Ireto farany indray avy eo no nanondro ny naniraka azy, izay lehilahy iray sy vehivavy iray. Araka ny fampitam-baovao azo, dia vokatry ny fialonana ranofotsiny no nahatonga ny iray tamin’ireto tomponantoka ireto haniraka an’ireo olona hitoraka. Fa tetsy andanin’izay, dia tao ihany ny toetran-jiolahy izay te hangalatra tsotr’izao ny zavatra entin’ireo fiara. Amin’izany, dia dimy arivo ariary no hanakaraman’ireto atidoha ireto ireo olon-dratsy mpitoraka ireo fiara mandalo. Inoana araka izany fa mba hilamina amin’izay ny tebitebin’ireo mpindrana iny lalam-pirenena iny, indrindra ireo izay tsy maintsy handeha alina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici