- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversRN2 : Feno mpivarotra rongony

RN2 : Feno mpivarotra rongony

Tetsy Ambohimangakely, voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigady misahana izany ny mpitazona, mpifoka ary mpivarotra zava-mahadomelina. Teo amin’ny toerana fantatry ny maro amin’ny hoe CMT, eo amin’ny fokontany Ankadindambo no raikitra ny fisamborana. « Trano hazo misy lavaka avy ety ivelany ka eo no atsofoka ny vola ary mivoaka avy hatrany eo ihany koa ny rongony sahaza ny vola izay natsofoka » raha araka ny fanazavan’ny zandarin’Ambohimangakely izay misahana ny fanadihadiana. Misy vehivavy iray efa nigadra intelo noho ny resaka fivarotana rongony no mbola karohina amin’ity raharaha ity. Etsy andanin’izany, tetsy Anjeva-Gare dia voasambotra koa ny vehivavy iray izay mpivarotra anana. Ny anana dia entina hanaromana ny bizna be ao ambadika dia ny fivarotana rongony izany. “𝖭𝗂𝗌𝗒 𝗂𝗁𝖺𝗇𝗒 𝗄𝗈𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗆𝗉𝖺𝗇𝗃𝗂𝖿𝖺 𝗂𝗓𝖺𝗇𝗒 𝗋𝗈𝗇𝗀𝗈𝗇𝗒 𝗂𝗓𝖺𝗇𝗒 𝗍𝗋𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗍𝖾𝗈 𝖺𝗆-𝗉𝗂𝗏𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗆𝗂𝗁𝗂𝗍𝗌𝗒. 𝖠𝗇𝗂𝗌𝖺𝗇’𝗇𝗒 𝗈𝗅𝗈𝗇𝖺 𝗏𝗈𝖺𝗌𝖺𝗆𝖻𝗈𝗍𝗋𝖺 𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗂𝗍𝗒 𝗋𝖺𝗁𝖺𝗋𝖺𝗁𝖺 𝗂𝗍𝗒 𝗂𝗁𝖺𝗇𝗒 𝗄𝗈𝖺 𝗇𝗒 𝗏𝖺𝖽𝗂𝗇’𝗂𝗅𝖺𝗒 𝗆𝗉𝗂𝗏𝖺𝗋𝗈𝗍𝗋𝖺 𝗌𝖺𝗍𝗋𝗂𝖺 𝗆𝖻𝗈𝗅𝖺 𝗇𝖺𝗁𝖺𝗍𝗋𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺 𝖿𝗈𝗇𝗈𝗌𝖺𝗇𝖺 𝗋𝗈𝗇𝗀𝗈𝗇𝗒 𝗍𝖺𝗇𝗒 𝖺𝗇𝖺𝗍𝗒 𝗉𝖺𝗈𝗌𝗂𝗇𝗒 » raha araka ny zandary. Feno arak’izany ny mpivarotra rongony eny amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Isaky ny tanàna lehibe dia efa misy azy ireo koa ary efa manomboka miova endrika ny fomba fivarotana izany, toa ny tetsy Ambohimangakely izay lavaka amin’ny tranokely no hanatontosàna ny fifanakalozana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici