- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversRN2 : Fiara mpitondra vola nivadibadika

RN2 : Fiara mpitondra vola nivadibadika

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray tamin’iny lalam-pirenana faharoa iny omaly maraina. Irony karazana fiara « blindé » mpitondra vola, ho an’ny Banky foibe irony no nivadika tanaty hantsana, teo amin’ny fito kilaometatra tsy hiditra an’i Brickaville. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tamin’ity loza nitranga ity. Tsy nitondra vola ihany koa ity farany, raha ny vaovao azo tamin’io fotoana io. Avy aty an-drenivohitra ho any an-drenivohitr’i Betsimisaraka ity fiara ity no tojo izao loza izao, rehefa niezaka niala kamiô lehibe iray nifanena taminy. Noho itony karazana fiara itony mandeha mafy, noho ny anton’ny fiarovana ny zavatra entiny, dia tsy tana intsony ny familiana ka izao nivarina an-kady izao ilay fiara. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana nanao ny fizahana ifotony.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici