- Publicité -
mercredi, juin 11, 2025
AccueilFaits-DiversRN2 : Jiolahy mpanakan-dàlana 2 lahy, voasambotry ny zandary

RN2 : Jiolahy mpanakan-dàlana 2 lahy, voasambotry ny zandary

Zandary nanao fisafoana avy ao amin’ny « brigade de Police de la Route » ao Toamasina  no nahazo ireo jiolahy mpanakan-dàlana sy mpandroba fiara amin’iny làlam-pirenena faharoa (RN2) iny, ny 08 jona 2020 tamin’ny 02 ora maraina. Araky ny loharanom-baovao, dia « Camion bâché » iray nihazo iny làlana iny no lasibatr’ireto olona ireto,  ny alin’ny 07 jona 2020 tokony ho tamin’ny 08 ora alina, teo amin’ny toerana antsoina hoe Andalamahitsy/Sandranentana, kaominina ambanivohitra Fanandrahana, Toamasina faharoa. Lasa tamin’izany ny  » bicyclette iray, Nahatsikaritra olona iray mampiahiahy mandeha irery tamin’ny andro maizina be ny zandary ka nisambotra izany avy hatrany. Natao ny fanadihadiana ka tsapa fa kara-panondro hosoka no navoakan’ity olona. Rehefa  nohadihadiana lalina ity olona mampiahiahy ity, dia nanoro trano kely iray eo amin’ny  » PK 315  » manamorona iny làlam-pirenena faharoa iny ihany, trano kely fiafenan’izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny. Rehefa nosavaina ity trano ity, dia mbola tratra tao ny namany iray. Nahitana « barre pince » sy antsy fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, hita tao ihany koa ny « bicyclette » halatra iray ; izay voalaza etsy ambony.

Voatazona vonjimaika any am-ponja ireto olon-dratsy ireto, taorian’ny famotorana sy fanaterana azy teny amin’ny Fampanoavana Toamasina.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici