Kamiao mpitondra « friperie » no nirehitra nidedadeda, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 1 ora, teny amin’ny làlam-pirenena faharoa, tao Antongombato, manelanelana an’i Marovoalavo sy Marovezo. Niitatra izay tsy izy ny afo ary nanempotra tanteraka ny setroka mainty nandrakotra ny lanitra. Nitohana ihany koa ny fifamoivoizana vokatr’izany. Marihina fa efa nanomboka tao anaty fiolahana ilay kamiao no nidona-tsetroka ary fotoana vitsy monja no nampidedadeda ny afo. Vao tafavoaka ny fiara mantsy ilay mpamily sy ny mpanampy azy dia nirehitra avy hatrany ilay kamiao na ny teo aloha izany na ny taty aoriana. Tsy tena voafaritra mazava hatreto ny nahatonga ny loza, fa raha ny tombatomban’ireo nanatri-maso ny loza, dia mety ho vokatry ny « court circuit » izany. Ny rano tamin’ny renirano tsy lavitra teo no nifanomezan’ireo nanatri-maso tànana namonoana ny afo, izay tena naharitra ela tokoa. Voalaza mantsy fa tsy nahavono ny afo tanteraka ny « extincteur » tao anatin’ilay kamiao.
Niony H.