Kamiao nitondra kaontenera efa foana nandeha mafy nahazo fiolahana no nivadika tao amin’ny fokontanin’Ambodibonara kaominina Fanandrana RN2. Tsena raha teo ny andro alahady any an-toerana ka vao mainka nampitombo ny loza nitranga izany. Raha ny vaovao azo tamin’ny zandarimariam-pirenena, dia roa no maty tsy tra-drano noho ity lozam-pifamoivoizana ity, fito kosa ireo naratra mafy; izay ahitana olona roa tena ahiana ny ainy noho ny ratra nahazo azy. Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza avy azy eo anivon’ny hopitaly be ireo naratra, efa natolotra ny fianakaviany kosa ireo roa maty. Tamin’izao raharaha izao no nahalalana, fa sahirana ny sampana vonjy ainan’ny hopitaly amin’izao, satria tsy mbola nanao ny adidiny amin’ny fanampiana vonjy aina tokony hefainy ny faritra Atsinanana sy ny kaominina ambonivohitry Toamasina. Io ilay antsoina hoe “prise en main sanitaire” izany hoe hentina hanavotana ny ain’ireo olona tonga tampoka noho ny voina tahaka izao eo anivon’ny sampana vonjy ainan’ny hopitaly izao. Vokatr’izay na tsy anjarany aza ny fanampiana ny marary tampoka tahaka izao, dia nandray andraikitra haingana ny prefektioran’i Toamasina nanampy tamin’ny fanafody sy fitsaboana ireo naratra tamin’izao lozam-pifamoivoizana tao Fanandrana izao. Ankoatra izay, dia mbola eo am-panalana ilay kaontenera sy ilay kamiao nivadika ny tompony sy ny tompon’andraikitry ny fitaterana amin’izao.
Malala Didier