- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversRN2 : Manatona an’Antananarivo ny mpanakan-dàlana

RN2 : Manatona an’Antananarivo ny mpanakan-dàlana

Tsy lavitra akory dia efa sahy manakan-dàlana ireo olon-dratsy. Taxi-brousse izay nandalo teo amin’ny PK12 no nampandre haingana ny zandary fa nisy jiolahy efatra manakan-dàlana avy amin’ny alàlan’ny vatobe. Teo Ambohitrombihavana no nitranga izany saingy mba tafiala izany ihany ilay fiara fitaterana. Niantso ny zandary tao Ambohimangakely ny mpamily ary soa fa efa nisy mpanao fisafoana izay nandeha kodiaran-droa tsy dia mifanalavitra teo. Raikitra avy hatrany ny fanenjehana ireo olon-dratsy tao anatin’ny andro maizina. Voasambotra ny iray, 31 taona ary tsy manana kara-panondro sy fonenana mazava. Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora io farany rehefa natolotra ny fampanoavana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa izay mbola miriaria any. Tsy lavitra akory an’andrenivohitra ity fanakanan-dàlana ity ary eo amin’ny toerana tena betsaka fiara mpifamoivoy. Kanefa dia sahin’ireo olon-dratsy ny nametraka vato malao teo amin’ny làlana, eo amin’ny fanitsaky ny kodiarana. Raha olona variana kely izany dia sady simba fananana no voaroba ny olona tao anatiny. Teo aloha dia any amin’ny toerana tena tsy misy tanàna no mitranga ny fanakanan-dàlana ary lavitra ny mpitandro ny filaminana. Izao indray dia efa manandrakandrana miditra tanàna izy ireo. Ilaina hatrany ny mampandre haingana ny mpitandro ny filaminana raha vao mahita zavatra hafahafa satria mitady hananika ny renivohitra ny mpanakan-dàlana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici