
Fiara nitondra mpianatra avy amin’ny sekoly ambaratonga faharoa manokana (lycée) tsy miankina iray eto an-drenivohitra indray no niharan-doza, teo Ankarefo, 20 km miala ny tananan’i Moramanga, tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny omaly. Handeha hanao voyage d’étude any amin’iny ilany atsinanan’ny Nosy iny no niaingan’izy ireo teo an-drenivohitra, kanefa dia izao loza izao no nitranga. Ny fampitam-baovao avy any an-toerana no nahafantarana fa telo tamin’ireo mpianatra no tena voa mafy tanteraka tao anatin’izao loza izao.
Voalaza fa vokatry ny fandehanana mafy sy tsy fitandreman’ny mpamily no nahatonga ny loza. Raha ny zava-nisy mantsy, araka ny angom-baovao avy any an-toerana hatrany dia teo am-pisongonana fiara iray teo alohany ity fiara mpitatitra « sprinter », nitondra ireto mpianatra ireto ity, no tsy voafehin’ny mpamily intsony ary nivoaka ny lalana. Ary namarana ny lalany tamin’ny fivadihana. Mafimafy ihany ny dona ary tao anatin’izy no nahavoatsindry ireo mpianatra telo. Efa tonga teny an-toerana vantany vao nahazo fampandrenesana moa ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra, nanampy tamin’ny famonjena ireto mpianatra tra-doza ireto, ary nanokatra ny fanadihadiana.
Fa ankoatr’ity teny amin’ny RN2 ity dia mpianatra mpanao « voyage d’étude » hafa ihany koa no niharan-doza ny voalohandohan’ny volana teo, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny indray. Mpianatra avy eo anivon’ny Oniversiten’i Fianarantsoa izy ireo, ary nikasa ny hihazo an’i Toliara. Maromaro ireo naratra tamin’izay ary vokatry ny tsy fitandremana ihany koa no nahatonga ny loza raha ny vaovao voaray.
m.L