Nitrangan’ny fanafanafihana taksiborosy indray ny lalam-pirenena faharoa. Teo anelanelan’Anjiro sy Marozevo no nitrangan’izany asan-jiolahy izany, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Voalaza fa rehefa tsy tafakatra teny ambony fiara misy entana ireo olon-dratsy dia nitoraka tamin’ny vato ka nisy tamin’ireo fitaratra no vaky.
« Efa indroa aho izay no lasibatra. Niakatra labasy izy tamin’ny voalohany ary ity nitoraka ity indray ny faharoa. Mahagaga fa misy mpitandro filaminana ihany anefa tsy lavitra eo. », hoy ny mpandeha tao anatin’ity fiara voatoraka ity. Efa volana vitsy lasa izay no nisehoan’ny fanafihana taksiborosy, ny marimarina kokoa ireo mpangalatra entana ambony fiara mandritra ny fandehanan’ireo amin’ny lalan-dratsy. Nampikolay ny mpitatitra olona sy entana izany, ka nisy ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana ka nahasamborana olona maromaro. Nisy ihany ny fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa, ka nangingina ity asan-jiolahy ity. Izao anefa niverina indray izany. Mampiseho ny firongatry ny asan-jiolahy miseholany eto amintsika ny toe-javatra toy izao . Ny asan-jiolahy izay efa miseho amin’ny endrika rehetra mampikolay ny rehetra mihitsy. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro filaminana, ary efa ireo lehibeny mihitsy no nitarika ny ady atao amin’izany ny farany teo. Nisy ny vokatra azo raisina, kanefa ny eo tratra, ny aty mipongatra ihany. Manantena fa hisy hetsika hatao isaky ny lalam-pirenena amin’ity ady amin’ny asan-jiolahy ity fa tsy amin’ny lalam-pirenena fahafito ihany.
Yv Sam