Omaly maraina no niseho ilay lozam-pifamoivoizana, teo Ambatolampikely-Ambanitsena. Fiara lehibe mpitatitra solika izay hiakatra aty an-drenivohitra no nivoaka ny làlana ary nifatratra tany an-tanimbary. Mba tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy na dia nivadika aza ny kamiao. Tsy nisy koa ny solika raraka. Na izany aza anefa avy hatrany dia namefy faritra tsy azo andehanana ny tompon’andraikitry ny fiara sao sanatria misy mampirehitra afo tampoa eo amin’ny manodidina. Raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana dia olana ara-teknika no nitarika ny loza. Tapaka ny « ressort » ary lasa nitanila ny fiara. Tsy voafehy intsony ny familiana azy ary dia nivoaka ny làlana ka nianjera tany an-tanimbary, raha ny fanazavana hatrany. Teto indray izany dia mba tsy nidiran’ny lalan-dratsy loatra ny anton’ny loza fa tena fahasimbàna ara-teknika, raha mitombona tokoa ny filazan’ny tompon’andraikitry ny fiara. Isan’ireo ampahan-dàlana kely eny amin’ny RN2 vao namboarina ary misosa tsara ny eo Ambatolampikely izay nisehoan’ny fivadihan’ny fiara. Tsy ilaozan’ny kamiao mivadika hatrany anefa RN2.
D.R