- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRN2 : Nivoaka nanao « recréation », zazavavy maty voafaokan’ny fiara

RN2 : Nivoaka nanao « recréation », zazavavy maty voafaokan’ny fiara

Nandriaka indray ny rà tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Zazavavy kely 13 taona, mpandeha tamin’ny taxi-brousse iray, hitodi-doha ho any Vakiniadiana any no maty tsy tra-drano rehefa nodomin’ny fiara, tetsy an-tampon’i Maharidaza. Araka ny fampahafantarana nataon’ny zandary misahana iny faritra iny dia iny izy nivoaka ny fiara, handeha hiampita iny no nofaohan’ny fiara hafa.

Tsy mampilaza tokoa ny loza rehefa ho avy. Fa na dia handeha hivoaka hivalan-drano aza dia mety mahafaty. Toa izany ny nahazo ity mpandeha iray tamin’ny zotra rezionaly, mampitohy an’Antananarivo sy Andranovao, Manjakandriana ity, omaly maraina tetsy Maharidaza. Fanaon’ny fiara tokoa rehefa mahavita halavirana misimisy ny somary misento kely, mampiato ny fandehanany. Mivoaka maka rivotra ireo mpandeha, mba mitsangantsangana kely ny sasany, raha manary izay mavesatra aminy ny hafa. Tamin’io fotoana io mihitsy anefa no nitranga ny loza, vokatry ny tsy fitandremana kely foana. Ankizivavy maromaro teo izy ireo nivoaka ny fiara, hoy ny fanazavàna azo, ary nikasa handeha hiampita. Heverina fa takon’ny fiara nitondra azy izy ireo, ka tsy nahita akory ny fiara iray, handeha hitodi-doha hankaty an-drenivohitra. Mazava ho azy fa tsy nahita azy ireo ihany koa ny mpamilin’ity fiara « camionnette » feno entana. Tsy tana intsony araka izany ny loza. Raha ny fanazavàna azo hatrany dia tafaverin-dalana ihany ireo namany fa izy kosa no tavela teo am-povoan-dalana, voafaokan’ilay fiara. Mafy dia mafy ny dona, hoy ny fanazavàna. Voa teo amin’ny lohany izy, ary nipitika. Tsy nihetsika intsony, nitsirara teo am-povoan’arabe tao anaty rà mandriaka. Niezaka namonjy ihany ireo nahita saingy indrisy fa tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana. Nentina nihazo ny tananany, any Andranovao Manjandriana, moa ny razana. Ilay mpamilin’ilay fiara nandona kosa dia nentina natao famotorana sy andrimaso any amin’ny biraon’ny zandary.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici