Mitaraina amin’ny fahasimbana misy amin’ny lalam-pirenena faharoa ireo mpampiasa ny lalana, indrindra ireo mpamily kamiao mpaka entana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tena olana ho azy ireo izany fahasimban’ny lalam-pirenena faha-02 izany, satria mampitombo ny fandaniana ara-tsolika eny an-dalana, sy mampitombo ny vola lany amin’ny fikojana ny fiara. Lasa tsy matoky ireo mpamily, vokatr’izany, ny tompon’ny fiara, noho ny fitomboan’ny vola miala amin’izy ireo.
Ny tena olana amin’ireo mpamily ireo dia ny asan-dahalo misy eny an-dalana amin’ny famakiana kamiao sy ireo kaontenera amin’ireo entana entiny. Any amin’ireo mpamily no mifatratra ny olana ary tena mampiditra am-ponja azy ireo mihitsy. Isan’ny tena entana lasibatra angalarin’ireo dahalo an-dalana, na dia hafa kely aza ny amin’ny lalam-pirenena faha-2 ity noho izy ireo tsy mamono mpamily, dia ireo vary, siramamy, lafarinina, ary ireo lamba tonta (friperie). Mazana dia ireo mpamily no miantoka ny very. Voalazan’ireo mpamily kamiao ireo fa eo anelanelan’Ambodiriana Toamasina II hatrao Antsampanana Brickaville no tena manao ny ataony ireo dahalo amin’ny lalam-pirenena faha-2 ireo, satria eo ihany koa no tena ahitana faharatsian’ny lalana.
Ankilan’izany koa ny lozam-pifamoivoizana mahazo ireo mpamily kamiao amin’ny lalam-pirenena faha-2 iny. Tahaka ilay nahazo ilay kamiao niongana fotsiny tao akaikin’Antsampanana noho ny vy miaina mihazona ny kodiarana tapaka tampoka. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy vokatr’izany, fa ny fitaovana no simba. Izany no nilazan’ireo mpamily kamiao fa amin’izao fahasimban-dalana izao aloha dia atsaharo ny fanagadrana mpamily noho lozam-pifamoivoizana, satria tsy izy ireo no manao fanahy iniana tra-doza fa ny lalana ratsy no miteraka azy. Manahy mafy ireto mpamily kamiao nanao fanambarana ireto fa tena mbola hitera-doza mahatsiravina amin’ireo tanàna manamorona ny lalam-pirenena faha-2 ny zava-misy ankehitriny, satria saika manamorona ireo tanàna ireo avokoa no tena misy ireo fahasimbana goavana. Eo koa ny fakana vola ataon’ny fanjakana amin’ireo entana mihoatra fatra eny an-dalana, indroa be izao no hakana izany.
Ankoatra izany dia miangavy ny fanjakana izy ireo hijerena akaiky ity lalam-pirenena faharoa izay tena simba be ity, satria tsy mbola simba ohatra an’izao ity lalana ity hatramin’izany, hoy ireo mpampily kamiao nilaza ny heviny. Iny lalam-pirenena faha-2 iny no lalan-drà mamelona ny toekarena malagasy, satria ankamaroan’ireo entana miondrana sy avy any ivelany eto amintsika, dia ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny lalampirenena faha-2 no mizaka izany rehetra izany.
Malala Didier