- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN2 : Sprinter nitondra ny solotenan'ny 08 Marsa nivadika

RN2 : Sprinter nitondra ny solotenan’ny 08 Marsa nivadika

Nisehoana lozam-pifamoivoizana, indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, izay miala 47 kilaometatra an’Anatananarivo ny marainan’ny Atalata faha 05 Martsa 2024 teo, teny amin’ny toerana hatao hoe: Andranomangatsiaka, any amin’ny disitrikan’i Manajakandriana, ao amin’ny faritra Analamanga. Raha ny vaovao mari-pototra voaray tamin’ny antso an-taribia, dia fiara  » Sprinter » avy eto Maevatanàna, nitondra ireo solotenan’ny faritra Betsiboka, izay hamonjy fihaonaben’ny fankalazana ny andron’ny valo Marsa, izay atao any amin’ny renihivotrin’ny betsimisarak ao Toamasina ny Zoma izao, ireto farany no tra-doza teny an-dalana, ka olona roa tena naratra mafy, nandritra fianjeran’ny fiara tao anaty fiolanana, raha tsy nisy naninona kosa ny olona folo ambiny tao. Ny fampitam-baovao ihany no nahalalana, fa nahazo fitsaboana sahaza ao amin’ny hopitalibe Manjakandriana an-tampon-tanàna, izy 12 mianadahy no nidina nalaky any an-toerana ny minisitera mponina foibe. Marihana fa tokony tamin’ny valo ora sy sasany alina teo, ny solotenan’ny 08 Marsa no niala teto Maevatanàna, hihazo any Toamasina, ary izao tra-doza izao, saingy mbola tsy fantatra kosa ny olana nisy teo amin’ny fiara sy tena antony zava-nitranga.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici