Teny Anjiro, tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny no very ilay môtô, « Yamaha Evolution », tany Ambaiboho, Amparafaravola no hita ary efa niova ny loko sy ny kojakoja sasantsany tamin’izany kodiaran-droa izany. Olona efatra no voasambotra ary vehivavy ny iray tamin’izany.
Sivy andro monja, taorian’ny nahavery izany môtô izany dia efa tsy nisy nahafantarana azy intsony ilay kodiaran-droa, araka ny fanazavana nomen’ ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Moramanga. Vao nitranga moa ity halatra môtô dia efa nandray andraikitra avy hatrany ny zandary tany an-toerana. Taorian’ny fikarohana sy fanadihadiana lalina nataon’izy ireo dia tra-tehaka tamin’izany ny mpikirakira môtô iray, izay nitady pieces ho an’ilay môtô very. Nilaza moa ity farany fa efa nalefa any Morarano Chrome ilay môtô ary efa eo an-dalam-panovana. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary. Olona roa indray no voasambotra tany, teo am-pandokoana mihitsy ilay môtô. Marihana fa ity mpikirakira môtô ity no tena atidoha ary manampy azy amin’izany ny vadiny raha ny vaovao hatrany. Nentina notazonina tao amin’ny biraon’ny zandary avokoa izy efatra mianadahy, alohan’ny nanolorana azy teny anivon’ny Fampanoavana ny faran’ny herinandro teo. Nadoboka am-ponja avy hatrany moa ireo telo lahy raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay vehivavy.
Tato ho ato tokoa dia hita ho nihabetsaka indray ireo very môtô, saingy voasaron’ity resaka halatra olona ity moa. Na any amin’ny faritra izany na eto an-drenivohitra. Vao tsy ela tokoa mantsy izay no nisy nitarina hoe very fananana raha nisakafo tao amin’ny « fast food » iray teto an-drenivohitra. Ary vao omaly dia nisy môtô iray very ihany koa teny amin’iny faritra Ampandrana iny.
m.L