- Publicité -
mercredi, juin 11, 2025
AccueilFaits-DiversRN2: Toamasina – Brickaville : Tratran’ny zandary ireo mpamaky kaontenera sy mpanafika...

RN2: Toamasina – Brickaville : Tratran’ny zandary ireo mpamaky kaontenera sy mpanafika taksibrosy

Andian-jiolahy roa amin’ireo andian-jiolahy enina mpamaky kaontenera amin’ny lalam-pirenena faha-2, no saron’ny zandary ny 22 jona teo. Mbola tratra tamin’izy ireo ny fitaovana fanaovan’izy ireo izany, sy ireo entana avy nangalarina. Isan’izany ireo fonosana lamba tonta 06, zava-maneno samihafa, seza nohafarana avy any ampita 06, ary voanjo hahondrana any ivelany. Tovolahy samy mponina ao Brickaville avokoa izy ireo.

Isan’ny mampitaraina ireo mpamily kamiao mitondra entana miazo an’Antananarivo ny famakiana kaontenera mahazo azy ireo, izay mpitranga eo amin’ny fiakarana ao Bekalalao, sy ny lalan-dratsy ao Ambodipolomosy, satria samy mandeha mora ireo kamiao mandalo ao. Saika ireo mpamily sy ny mpanampy azy ireo hatrany no azon-doza voasoketa ho mpangalatra ka mandoa ny entana very mandritra izany. Misy izao ny fiaraha-miasa matotra amin’izy ireo sy ny zandary misahana ny fanaraha-maso ny lalam-pirenena faharoa, ka izay no niteraka izao vokatra fahatrarana ny 2 amin’ireo ekipa 6 mpanao izany izao. Tsy ny kamiao mpitondra entana ihany no lasibatra amin’izao fanafihan’ny andian-jiolahy amin’ny lalam-pirenena faharoa izao, fa ireo taksibrosy mpanao zotra Toamasina – Antananarivo, na Toamasina – Ambatondrazaka ihany koa. Ny entan’ireo mpandeha izay mazana ao anatin’ny fitoeran’ny entan’ireo taksibrosy no lasibatra amin’izany. Nisy valizy tratra avy nangalarina koa tamin’izy roa lahy saron’ny zandary ireto. Milaza ny zandary fa eo am-panarahan-dia ireo efatra mbola nitsoaka naman’izy roa lahy ireto, sy ireo andian’olona ihany koa mety mpividy ireo entana halatra ireo izy ireo izao.

Ankoatra izany dia niaiky ny zandary fa misy amin’ireo mpamily ihany no miray tsikombakomba amin’ireo jiolahy amin’ny entana entiny, ary saika izany ny tranga misy ankehitriny, satria efa nasian’ny zandary mpiambina avokoa ireo lalana mety hisian’ilay halatra, tahaka ny ao Ambodipolomosy sy ao Bekalalao fiakaran’ireo mpamaky kamiao sy taksibrosy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici