- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversRN25 : Kamiao nifandona tamin’ny taxi-brousse, valo no maty, zandary ny iray

RN25 : Kamiao nifandona tamin’ny taxi-brousse, valo no maty, zandary ny iray

Potika tanteraka ity fiara mpitatitra iray, mampitohy an’i Toamasina sy Vangaindrano, rehefa nifandona tamin’ny fiarabe iray, omaly, teo Karimaso Ifanadiana. Nandriaka ny rà.

Vao niantomboka kely tokoa ny taona dia efa faty olona nikarakarana indray, ny teny amin’ny lalam-pirenena. Olona valo be izao no namoy ny ainy tao anatin’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’iny lalam-pirenena faha-25 iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe Karimaso Ifanadiana, omaly maraina tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany. Araka ny angom-baovao azo avy an-toerana dia fiara mpitatitra niainga avy ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana izy ity, ary handeha hihazo an’i Vangaindrano. Ny ankabeazan’ireo olona tao anatiny dia saika mpandeha nafindra fiara avokoa, noho ny fahasimban’ireo fiara hafa nitondra azy teo Antsapanana Brickaville. Tamin’io ora sy fotoana nitrangan’ny loza io, dia nifanena tampoka tamin’ny fiarabe iray « semi-remorque », handeha hiakatra izy ireo. Mafy dia mafy ny fifandonana, ary samy nivadika  tamin’ny sisin-dalana avokoa ny roa tonta. Raha ny fahasimban-javatra dia azo heverina fa samy nandeha mafy ny roa tonta.

Araka ny tatitra azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia nisy olona valo tamin’ireo mpandeha tao anatin’ilay taxibrousse no maty tsy tra-drano. Zandary avy namita iraka ny iray tamin’izy ireo. Nahatratra iraika ambin’ny folo kosa ireo naratra mafy, ary mbola nisy zandary ihany koa ny roa tamin’izany, izay voatery nentina nihazo avy hatrany ny hôpitaly tao Ifanadiana. Indrisy anefa, fa mpandeha iray no mbola namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’io toerm-pitsaboina io. Tafakatra valo noho izany ny isan’ireo maty. Araka ny fampitam-baovao hatrany moa dia mpitandro filaminana avy ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Atsimo Atsinanana izy ireo, avy namita iray tany amin’iny faritra iny. Efatra izy ireo fa ny iray mba tsy naninona, raha ny fanazavana azo hatrany. Ankoatr’izay, raha ny tatitra azo hatrany dia mbola somary mampanahirana kely ny fahafantarana ireo olona hafa niharam-boina. Araka ny voalaza etsy ambony mantsy dia saika mpandeha nafindra izy ireo. Tsy nisy araka izany ny taratasy milaza ny mombamomba ny sasany tamin’izy ireo, na ny « manifold » tao anatin’ilay fiara. Efa nidina tany an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fandihadiana mahakasika ity loza ity moa ireto tomponandraikitry ny filaminana any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici