- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRN25 : Taxi-brousse latsaka tanaty hantsana, olona roa maty, 18 naratra

RN25 : Taxi-brousse latsaka tanaty hantsana, olona roa maty, 18 naratra

Olom-boafidy iray no isan’ireo namoy ny ainy tamina lozam-pifamoivoizana izay niseho tamin’iny lalam-pirenena faha-25 iny omaly vao maraim-be.

Nandriaka indray ny rà tamin’iny lalana mampitohy an’i Ranomafana sy Ifanadiana iny ny marainan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina. Taxi-brousse iray, manao zotra mampitohy an’Antananarivo sy Mananjary no nivadika ary nivarina tanaty hantsana teo Ambatolahy. Vokany, olona roa no maty tsy tra-drano ka anisan’izany ny olom-boafidy iray avy any amin’iny distrikan’i Nosy Varika iny. Mpandeha 18 kosa no naratra mafy vokatr’ity loza ity.

Iaraha-mahalala tokoa fa fidinam-be iny lalana miala an’Ambatomainty hidina any Ifanadiana any iny. Hantsana am-polony metatra any ho any kosa anefa ny avy ao an-kavanan-dalana. Efa maro ny loza niseho tamin’izany lalana izany, izay mazàna dia malama sy mando lava ary samy nahafaty olona avokoa izany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia voalaza, fa olana teknika teo amin’ny fiara no nahatonga ny loza, satria, raha iny hidina iny no tsy nisy hisatra intsony ilay fiara ka dia nikivalavala fotsiny ary io niafara tamin’ny fivadihany tanaty hantsana io. Efa samy nentina novonjena tany amina toeram-pitsaboana avokoa moa ireo naratra mafy tamin’ity loza ity ; nisy ireo nalefa any Ifanadiana ary nisy ireo nalefa ao Ranomafana. Efa tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana sy ny fijerena ifotony koa moa tetsy andanin’izay ireo mpitandro filaminana tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici