Nitrangana loza mahatsiravina ny sabotsy, tetsy Ankazondandy, tamin’iny làlam-pirenena fahatelo iny. Mpanao lalana enin-dahy no indray nihotsahan’ny tany. Ny roa tamin’izany no namoy ny ainy ary telo no naratra mafy, araka ny nambaran’ireo mpitandro filaminana. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany tany no niseho ny tsy nampoizina, raha ny fitantarana raim-pianakaviana iray, monina tsy lavitr’ity toerana nitrangan’ny loza ity. « Efa lavaka mangitsokitsoka no teo, vokatry ny fikaohan’ny riaka ny arabe. Teo am-panamboarana azy io ireto mpiasa ireto no nihotsaka ilay ampahan-tany teo akaiky ary nanototra azy ireo tao ». Vantany vao niseho moa ny loza, dia efa nampandrenesina avokoa ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ary ireo izay afaka namonjy rehetra, hanavotra ireto mpiasa nihotsahan’ny tany ireto. Tovolahy iray no avotra voalohany tamin’izany ary nanaraka ireo telo ambiny. Ireto farany, dia voalazan’ny loharanom-baovao hatrany, fa naratra mafy tokoa ary voatery nampiakarina haingana taty an-drenivohitra. Voalaza kosa, fa mbola nisy olona roa hafa mbola tsy hita ary tototry ny ranon-tany tao. Nifandrimbona avokoa araka izany ireo rehetra teny an-toerana niezaka nikaroka sy namonjy ireto mpiasa farany ireto. Nihodina, dia nihodina ny adim-pamantaranandro, fa mbola tsy mety hita izy ireo. Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva tany ho any, araka ny fitantaran’ity mponina nanontanianay ity hatrany no hita iray, saingy indrisy fa efa vatana mangatsiaka sisa. Tokony ho minitra maromaro taorian’izay no hita ihany koa ny iray. Samy efa raim-pianakaviana manodidina ny 40 taona any ho any avokoa moa izy ireo, raha ny angom-baovao hatrany ary monina aty an-dRenivohitra. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo teny an-toerana, dia efa samy nentina niakatra avokoa izy ireo. Koa satria nisy ny aina nafoy, dia voatery nandray andraikitra nanokatra fanadihadiana tamin’ny antony mety ho nahatonga ny loza ireo mpitandro filaminana. Efa volana maromaro tokoa izay no nokaohin’ny riaka ity lalam-pirenena fahatelo, tetsy Ankazondandy ity, saingy tsy nisy nijery sy nanamboatra izany na dia efa maro aza ny fitarainan’ny mponina sy ireo mpampiasa lalana mahakasika izany. Io izy efa hila hanapaka tanteraka ny arabe io ary tsy nahafahan’ny fiara nandeha intsony fa nisy izao fanamboaran-dalana izao, kanefa dia indrisy fa nitera-doza indray izany ary heverina fa mety hiato indray. Tsy fantatra ! Tsy ny eo ihany anefa, fa saika ny ampahan-dalana avy eo amin’io toerana io mitohy mianavatra mihazo an’Anjozorobe (40 km eo) dia efa tena ratsy tanteraka. Mila fanamboarana maika, alohan’ny fotoam-pahavaratra…
m.L