Tapaka tanteraka mihitsy iny lalam-pirenena fahatelo mihazo an’Anjozorobe iny omaly noho ny loza nitranga teo Soavinimerina. Fiara tsy matahodalana iray no nifatratra teny amin’ny andrin-jiro mpitondra herinaratra mahery vaika omaly, tokony ho tany amin’ny mitataovovonana mahery kely tany ho any. Vokany, olona roa, tovolahy iray 20 taona teo ho eo sy lehilahy lehibe iray mananiky ny 70 taona any ho any no naratra. Ity farany, raha ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny no somary voa mafy tao anatin’izany loza izany. Raha ny angom-baovao azo dia nandeha mafy tokoa ilay fiara izay avy aty an-drenivohitra ary nitodi-doha nianavaratra. Nanaporofo izay rahateo ny dona mafy nahazo azy ireo sy ny fahasimban’ilay andrin-jiro teny an-toerana, hoy ireo mpitandro filaminana. Talohan’ny loza anefa, raha ny vaovao hatrany, dia tsy fantatra mazava izay nahazo ity fiara ity fa efa somary nivilambilana ihany. Efa saika nidofotra tany amin’ny fiarabe iray nifanena tampoka tamin’izy ireo izy io saingy afa-niala tamin’izany ihany. Tsy voatana noho izay intsony angamba ny familiana ka izay nifatratra teny amin’ny andrin-jiro izao. Azo heverina fa mety nisy olana ara-teknika io fiara io, hoy ireo mpitandro filaminana, moa etsy andanin’izay ny fandehanana mafy tsy nahafahana namehy ilay fiara. Efa nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana tetsy Anosy Avaratra moa ireto olona naratra ireto. Potika tanteraka ny lohan’ity fiara tsy matahodalana ity. Niforitra roa ihany koa ilay andrin-jiro ary niseho hatramin’ny vy tao anatiny mihitsy noho izay dona izay. Nianjera tao anaty lalana izy io ary nanapaka tanteraka iny lalam-pirenena fahatelo iny. Marihana fa nitondra herin’aratra mahery vaika izy io, hany ka notapahina tenraka mihitsy aloha ny fifamoivoizana hisorohana ny loza hafa mety hitranga. Mazava ho azy fa fitohanana tanteraka no vokatr’izay : ny avy any avaratra tsy afaka miditra, ny avy aty an-drenivohitra tsy afaka. Voatery namorona fihodonan-dalana hafa mihitsy ary nandamina izany ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimanga. Ireto farany ihany koa no mandray ny fanadihadiana tamin’ity loza nitranga ity. Efa nampilazana teo no ho eo ihany moa ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Jirama, ary efa notapahina nanaraka izay ny jiro tamin’iny faritra iny sy ny manodidina.
m. L