- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversRN3 : Kihon-dalan’ireo mpitrandraka hazo tsy ara-dalàna

RN3 : Kihon-dalan’ireo mpitrandraka hazo tsy ara-dalàna

Ny faramparan’ny volana teo dia fiarabe iray indray no tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andriampamaky, nitondra hazo sy arina fandrehitra tsy ara-dalàna. Nogiazana avy hatrany izany niaraka tamin’ny fiara. Nadoboka am-ponja vonjimaika kosa ireo tompon’antoka tamin’izany.

Efa maromaro ihany mpitrandraka ala an-tsokosoko izay no niharan’ny fisamborana sy fanagiazana ireo entana tsy ara-dalàna tato anatin’ny volana vitsy monja izay. Misy aza moa ireo olona tra-tehaka mihitsy mikapa hazo tao ao anaty faritra arovana, toy ny nitranga tao Angavo, kaominina Mangamila Anjozorobe. Ny farany teo, izay nitranga ny faramparan’ny volana novambra iny dia fiarabe iray no tra-tehaky ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Andriampamaky, tamin’iny RN3 iny. Hazo tsotra miisa 47 niampy arina fandrehatra nahatratra 48 gony. Raha ny nambaran’ny fampitam-baovao dia tsy nahitàna na dia tamingan-taratasy avy amin’ireo tompon’andraikitra misahana ny ala tany amin’ity fiarabe ity. Marihina fa olona iray no nosamborina sy natao fanadihadiana tamin’io fotoana io. Efa natolotra ny Fampanoavana ny voalohandohan’ny herinandro teo moa izany olona izany, ary nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Araka ny fampitam-baovao azo hatrany dia hazo sy saribao avy any Anosivola, kaominina Ankazondandy, distrikan‘i Manjakandriana ireto nogiazana ireto, izay efa natoby aty amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy etsy Nanisana.

Iaraha-mahalala tokoa fa maromaro ihany ireo faritra arovana amin’iny tapany avaratra sy atsinanan‘Antananarivo iny, raha tsy hiteny afa-tsy ny ao alan’Angavo, ao amin‘ny distrikan‘Anjozorobe. Ny zava-misy anefa dia maro ihany koa ireo olona mitrandraka ao anatin’izany. Ankoatra ireo dia mbola betsaka ihany koa ireo mpitrandraka no manao izany tsy araka ny lalàna velona, ka lasa mampiroborobo ny fitrandrahana ala tsy ara-drariny, izay iarahan’ny rehetra mahalala fa mahatonga ny olan’ny tontolo iainana amin’izao. Anisan’ny anjara biriky entin’ny eo anivon’ny zandamariam-pirenena amin’ny fitandroana ny tontolo iainana ny fisamborana sy fanenjehana araka ny heloka ireo tsy manara-dalàna ary tsy hisomonga amin’izany mihitsy izy ireo. Indrindra moa fa ny ao anivon’ny Vondron-tobim-paritra Imerina Centrale (Cie IC) izay misahana iny tapany avaratra sy atsinanan’Antananarivo amin’ny lafin’ny filaminana, ao anatin’izany ny distrikan’Anjozorobe sy Manjakandriana. „ Fisavàna hatrany amin’ny bitika ka hatrany amin’ny lehibe indrindra no ataonay amin’ireo kamiao lehibe mandalo, izay fantatra fa mampiahiahy, na mandalo amin’ny RN2 izany, na mandalo amin’ny RN3 izany“ hoy ny fanazavana azo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici