- Publicité -
mardi, septembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversRN3 : Môtô nifandona tamina taxi-brousse : olona iray maty, iray hafa...

RN3 : Môtô nifandona tamina taxi-brousse : olona iray maty, iray hafa naratra

Maty tsy tra-drano ilay tovolahy nitondra ilay môtô scooter nifandona tamina taxi-brousse iray tetsy Ambohimanarivo, Talata Volonondry, tamin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, ny harivan’ny alahady lasa teo. Naratra mafy ary mbola mety ahiana kosa ny ain’ilay vehivavy nentiny taoriana tamin’io kodiaran-droa io. Ity farany moa dia mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana. Tetsy andanin’izay dia notazomina natao andrimaso ao amin’ny zana-tobi-paritry ny zandary ao Talata Volonondry ny mpamilin’ilay taxi-brousse  nifandona tamin’izy ireo. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay mahakasika io, hoy ny tompon’andraikitry ny zandary amin’iny faritra iny.

Ny zava-nisy : tokony ho tamin’ny dimy ora latsaka tany ho any no niseho ny loza, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso izany. Handeha hiakatra, hihazo ny renivohitra ity fiara mpitatitra iray, izay manao zotra mampitohy an’Ankazondandy sy Antananarivo, no nifanena tampoka tamina môtô scooter « 4temps » iray nanao taingin-droa, tao anaty fiolanana mampidi-doza. Voalaza fa samy nandeha mafy izy ireo. Mazàna anefa ny ataon’ireo mpamily, na ny mpitondra môtô rehefa tojo izany dia ilay somary mangalatra kely ny lalana tokony ho an’ny hafa, fa sao tsy tafiditra amin’ilay fiolanana. Heverina ho samy nanao izay avokoa izy ireo ka dia io nifandona io. Mafy dia mafy tokoa ny fifandonana. Potika tanteraka ilay kodiaran-droa. Potika ihany koa ny lohan’ny fiara. Tetsy ankilan’izay, nipitika lavitra ny toerana nifandonana ireo mpitaingina ilay kodiaran-droa. Ilay tovolahy nitondra azy moa, rehefa avy nosarihan’ ilay môtô nentiny, nipitika ary nikarapoka tamin’ny tany. Nandriaka ny rà ary tsy nihetsika intsony. Maty tsy tra-drano. Ilay vehivavy kosa mbola nisy aina kely, na dia naratra mafy tokoa aza, ka novonjen’ireo nahita, nentina nihazo hôpitaly haingana. Nampandrenesina mahakasika ity loza mahatsiravina ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana ary tonga nijery ifotony ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici