- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversRN3 : « Receveur » maty voahitsaky ny taxi-brousse

RN3 : « Receveur » maty voahitsaky ny taxi-brousse

Loza mahatsiravina no niseho tamin’iny lalam-pirenana fahatelo iny omaly hariva. Tovolahy iray, mpanampin’ny mpamily no maty tsy tra-drano rehefa voahitsaky ny fiara niasàny ihany.

Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any no nitranga ny loza. Fiara mpitatitra mampitohy an’Antananarivo sy Anjozorobe ity  namoa-doza ity teo amin’ny kaominina Andriampamaky. Araka ny fampitam-baovao azo, dia handeha hiakatra aty an-drenivohitra io fiara io no izao tra-doza izao. Nambaran’ireo olona nanatri-maso teny an-toerana mantsy fa toa hoe nanana olana teo anivon’ny hisatra ilay fiara, tamin’io fotoana io, kanefa handeha hihanika fiakarana. Amin’ny toe-javatra tahak’izany moa, mazàna irahin’ny mpamily ny mpanampy azy hanisy vato na hazo ao ambany kodiarana mba hanohanana ilay fiara tsy hiverin-dalana. Noho ny havesarany anefa, satria mazava ho azy, sady nisy mpandeha tao anatiny no nitondra entana ambonin’izay, dia tsy tanan’ilay  zavatra natao kaly ity fiara ity « sprinter » ary vao maika nikivalavala nidina niverina. Ny loza anefa dia mbola tavela sy niezaka nanohana tao ambany fiara ihany ilay tovolahy « receveur ». Voahosy sy voatetin’ny kodiarana tao ambany ity farany. Nandriaka tanteraka namonto ny arabe ny rà. Namoy ny ainy teo no eo ihany ity tovolahy ity. Ilay fiara kosa, namarana ny lalany teny amin’ny sisin’arabe ary notatazan’ny rindrin-tany. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana ary nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici