- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRN3-RN7 : Fiara nivadika, olona telo namoy ny ainy, am-polony naratra

RN3-RN7 : Fiara nivadika, olona telo namoy ny ainy, am-polony naratra

Ain’olona telo indray no nafoy, nandritra iny faran’ny herinandro iny, tamin’ireo lalam-pirenena teto amintsika. Tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, dia taxi-brousse « sprinter », avy any Toliara hitodi-doha aty Andrenivohitra no nivadika teo amin’ny PK 312+10, teo amin’ny toerana antsoina hoe Andamaka, kaominina Camp Robin, ao amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa, ny alin’ny zoma lasa teo. Vokany olona roa no namoy ny ainy, raha am-polony any ho any ireo mpandeha naratra. Raha ny fanazavana azo, dia mety ho tratry ny torimaso fotsy ny mpamily, kanefa nandeha mafy ny fiara ary dia  nivoaka ny làlana. Nidona tamin’ny rindrin-tany ary dia nivadika nony avy eo. Ireo naratra moa dia efa nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nentina tany amin’ny tranom-paty kosa ireo namoy ny ainy, ary nomena ny fianakaviany nony avy teo. Fantatra moa fa notazonina nanaovana fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny zandary ilay mpamily. Fa mbola lozam-pifamoivoizana hatrany, nitranga teny amin’iny lalam-pirenena fahatelo iny indray. Fiara kely marika « golf » no niala lalana ary latsaka tany amina hady izay lalina am-polony metatra eo ho eo, teny Talata Volonondry, ny alin’ny sabotsy teo. Telo izy ireo no tao anatin’ity fiara ity, ka ny iray tamin’izy ireo no namoy ny ainy avy hatrany, raha naratra kosa ireo roa ambiny. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny  anton’ny loza, fa ny azo antoka aloha dia mety ho fandehanana mafy. Efa nalefa notsaboina ireo naratra ary nomena ny fianakaviana kosa ilay namoy ny ainy. Misokatra kosa ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici