Samy nitranga ny alatsinainy lasa teo avokoa. Ny iray teny Analamahitsy, lalam-pirenena fahatelo iny, pôlisy iray nandamina ny fifamoivoizana no nofaohin’ny fiara ary nitsoaka ny mpamily avy eo. Ny faharoa, tetsy Ambatofotsy, zandary nanantanteraka « visite technique » tampotampoka, no voafaokan’ny môtô indray. Samy naratra moa ireto mpitandro filaminana ireto ary efa samy novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana avokoa.
Ny zava-nitranga. Raha ny tetsy Analamahitsy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, raha mbola teo am-pandrandrina ny fifamoivoizana ity pôlisy iray no nisy fiara marika « Peugeot J5 » nirimorimo fatratra ary nanitsy avy hatrany an’ity mpitandro filaminana filaminana. « Niala ilay fiara ihany ilay polisy saingy mbola voa ihany ary rehefa nianjera izy dia mbola nohitsahin’ilay fiara ihany ny tongony havanana ». Nitsoaka toy ny tsy teo ilay fiara vao avy nahavita izany, nihazo iny lalana mankany Andranobevava iny. Teo no ho eo ihany moa dia nalefa avy hatrany ny fampandrenesana ireo pôlisy hafa miasa amin’iny lalana ary tsy ela dia tratra ihany ity mpanao ratsy ity. Olona efatra no tao anatin’ilay fiara ary samy mamofona alikaola avokoa, hoy ny fanazavana azo. Nogiazana teo no ho eo ihany ilay fiara ary nentina natao fanadihadiana kosa izy efa-dahy tao anaty fiara. Ilay pôlisy kosa moa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy, raha ny fantatra.
Raha ny tetsy Ambatofotsy indray, dia zandary niaraka tamin’ireo teknisianina avy eo anivon’ny Dgsr, nanantanteraka fitsirihana fiara tampotampoka tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, ity niharan-doza ity. Môtô, handeha hihazo an’Andramasina no nifaoka tampoka ity mpitandro filaminana, izay marihina fa teny amin’ny sisin-dalana. Naratra ity zandary ity ary efa nentina avy hatrany teny amin’ny hôpitaly miaramila tetsy Soavinandriana sy nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Ilay mpitondra môtô kosa nentina natao andrimaso avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary ao Ambatofotsy, atao fanadihadiana.
m.L