- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversRN3 : Saika lasibatry ny fanakanan-dalana ny Dr Fidy

RN3 : Saika lasibatry ny fanakanan-dalana ny Dr Fidy

Soa ihany, hita mialoha ny vato malao napetrak’ireo olon-dratsy ho sakan-dalana tamin’iny lalam-pirenena fahatelo, mampitohy ny renivohitra amin’iny distrik’Anjozorobe iny. Hany ka tsy nahavita ny asa ratsiny ireo ratsy saina.  Nandray ny andraikiny avy hatrany ihany koa tetsy andanin’izay ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanarivo.

Nisy nametraka sakan-dalana, tamin’ny alalan’ny vatobe ny lalam-pirenena fahatelo iny ny alin’ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany tany ho any, teo anelanelan’ny sampanan-dalana mankany Ampaneva sy Talata Volonondry. Mpindrana an’iny lalana iny iray no fantatra fa saika lasibatr’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana, izay tsy iza fa ny Dokotera Fidy Bariniana, na ny Dr Fidy. Araka ny angom-baovao azo dia handeha hamonjy marary tany Ambohibao, amin’iny RN3 iny ny tenany tamin’io fotoana ka voatery nandeha alina. Izy rahateo ihany koa no Ben’ny tanàna voafidy tao amin’io kaominina io. « Soa ihany fa tazana mialoha ilay sakana ka niezaka niala izahay, ary niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana » hoy izy. Tsy tanteraka araka izany izay fikasan-dratsin’ireo izay nametraka izany sakana izany. Tetsy andanin’izay rahateo, vantany vao nampilazàna ny fisian’ireo sakana ireo mpitandro filaminana, avy hatrany dia nandray ny andraikitr’izy ireo, nanesotra izany sy nanao fisafoana ny manodidina.

Mitranga matetika. Anisan’ireo lalam-pirenena dia tsy be mpifamoivoy iny RN3 ity indrindra fa amin’ny alina. Mety ho antony iray manosika ireo olona hanana sain-dratsy, hivadika jiolahy mpanankan-dalana izany, hamandrika ireo fiara mandeha irery sendra tratra alina. Raha ny fantatra mantsy dia tsy vao izao no nisian’izay tranga izay teny. Raha tsy hiteny afa-tsy ny tranga iray izay nahazo ny mpampiasa lalana vitsivitsy tetsy Mangamila. Ary na ity mpitsabo vao saika lasibatra ity aza dia voalaza fa efa indroa niharan’izany tamin’iny. Hatreto anefa aloha dia tsy mbola nisy hoe tena voatafika fa saika afaka niala avokoa ireo izay tratra. Heverina kosa fa tsy handrasana ho tonga amin’izany vao hisy ny fandraisan’andraikitr’ireo mpiantsehatra rehetra. Manampy trotraka izany rahateo ihany koa ny faharatsian-dalana, izay tena mampikaikaika ny mpampiasa lalana kanefa indrisy fa toa tsy misy fijerena izany mihitsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici