
Ny alarobia lasa teo, teo amin’ny toerana antsoina hoe Antanetibe, PK45+800, Ankazondandy, fiara mpitatitra mampitohy an’Anjozorobe sy ny renivohitra anankiroa be izao no nahatratrarana toaka voarara, 100 litatra, nafenina tao anatin’ny gony feno ampombo.
« Fisavàna hatrany amin’ny bitika indrindra », baiko hentitra nataon’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra « Imerina Central » amin’ireo zandary eo ambany fifehezany, ary tena nahitam-bokany tokoa tamin’ireo trafika isan-karazany, efa zatra lalan-dririnina. Vao tsy ela akory fa ny alarobia teo, tamin’iny lalam-pirenena fahatelo iny ihany, dia toaka voarara natao tao anatin’ny bidon dimy, nentin’olona efatra no tra-tehaka. Nentina taxi-brousse roa nifanarakaraka izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo. « Ny fisian’ireo bisikleta teny ambony tafo no nahamailo ireo zandary miasa teo anivon’ny tobim-paritra Andriampamaky, nanao sakana teo amin’io toerana » hoy ny vaovao azo. Amin’iny lalam-pirenena iny tokoa mantsy dia nambaran’ireo mpitandro filaminana fa teknika fampiasan’ireo mpanao trafika ny fitondràna bisikleta. Rehefa nisy ny fisavàna natao dia tratra, nafenina tao anaty gony feno ampombo ireto bidon nisy toaka voarara ireto. Olona efatra no nitondra azy ireo ary samy nosamborina teo no ho eo ary nentina natao fanadihadiana. Tetsy andanin’izay nogiazana ary nampidirina am-balan-tsazy 10 andro kosa ireo taxi-brousse nahatratrarana izany.
Averina hatrany tokoa fa mbola voararan’ny lalàna manankery eto amintsika ny fanamboarana, fitondrana ary fisotroana toaka gasy. Voasokajy ao anatin’ny toaka voarara izy ireo ary ny fitsipika ankapobeny mifehy ny hetra (CGI) araka ny LFI2021 dia milaza mazava ao amin’ny andalana fahefatra, artikla faha-20.01.68 fa voasazy handoa lamandy 10.000 ariary isaky ny litatra ary fanagadrana iray ka hatramin’ny roa taona an-tranomaizina ny fitazomana na famarotana toaka tsy nahazoana alalàna, ankoatra ny fanagiazana ireo entana tsy ara-dalàna. Araka izany, ireto olona tratra ireto dia tsy maintsy mandoa ny lamandy iray tapitrisa ariary, miampy ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L