Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray, tamin’iny lalam-pirenana fahatelo iny omaly, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any. Taxi-brousse mampitohy an’Anjozorobe sy ny renivohitra, ao anatin’ny kaoperativa Kofizami no nivadika teo amin’ny tanàna antsoina hoe Mioridrano, kaominina Mangamila, distrikan’ Anjozorobe. Vokany, naratra mafy ny mpamily sy ny mpandeha iray, potika kosa ilay fiara « sprinter »
Andro tsena omaly alakamisy raha ny tao an-tampon-tananan’Anjozorobe, ary manomboka mirava izany rehefa folaka eo ny andro. Mazava ho azy fa betsaka ny olona sy ny entana ka amin’izay no manararaotra ireo fiara mpitatitra any an-toerana. Araka ny fantatra mantsy, dia fiara handeha hitodi-doha hihazo ny renivohitra ity fiara niharan-doza ity. Tamin’io fotoana io, dia voalaza fa fiara roa izy ireo no niainga. Ity niharan-doza ity, dia tsy nisy olona firy saingy feno entana kosa natao tany tamin’ny tafo. Teny an-dàlana, raha ny angom-baovao hatrany dia tsy nitsahatra nifanenjika ireto fiara mpitatitra roa ireto, izay marihana fa samy ao anatin’ny kaoperativa iray ihany. Tonga teo amin’io tanàna nitrangan’ny loza io ary dia niezaka ny hisongona ilay fiara iray lasa teo alohany ny iray tao afara. Fiolahana anefa ny lalana no sady nisy ireny karazana « barrage économique » ireny ihany nipetraka teo amin’ny sisin-dalana. Teo no tsy voatana intsony ny familiana, raha somary nitongilana noho ny hamafin’ny fandeha, ny fiolahan’ny lalana, ary ny entana avobe teny ambony tafo, ilay fiara. ka raha iny handeha hanarina izany iny ny mpamily no nivadika tany amin’ny an-kavia ny fiara ary nidrisina tamin’ny arabe, tokony ho am-polony metatra maromaro teo. Hatramin’ny ora nanoratanay omaly hariva dia voalaza fa mbola miady aman’aina ilay mpamily izay tena voa mafy tokoa. Nisy vehivavy iray tao anatin’ny fiara ihany koa naratra mafy. Ny ankoatr’izay dia saika nahitana ratra madinidinika avokoa ireo mpandeha hafa sasantsany. Efa samy nentina niakatra avokoa moa ireo naratra ary nalefa avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana kosa ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny
m.L