- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN3 : Taxibe nifanenjika nifaoka môtô

RN3 : Taxibe nifanenjika nifaoka môtô

Tsy fiara mpitatitra mitrandraka iny lalana iny akory ireto taxi-be nifanenjika namoa-doza tetsy amin’ny sampan’Ambohimanga ireto. Fiara mpitatitra ao amin’ny zotra D, mampitohy an’i Vasakaosy sy Ivato, araka ny angom-baovao azo.

Ny harivan’ny alahady teo tokoa mantsy dia nitrangana lozam-pifamoivoizana nandratrana olona indray tamin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe Sampanan’Ambohimanga. Mpitondra môtô no lasibatra ary naratra mafy. Olona roa izy ireo : vehivavy 20 taona, naratra teo amin’ny lohaliny izay nentin’ny lehilahy 21 taona. Ity farany no tena voa mafy, izay naratra teo amin’ny lohany. Araka ny fampitam-baovao azo, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva teo no nitranga ity loza ity. Nirimorimo avy any ny fiara mpitatitra anankiroa, « mitsipika mena », handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Tamin’io fotoana io anefa no nifanena tampoka tamina kodiaran-droa iray ny iray tamin’ireto fiara ireto. Môtô izay hamonjy fodiana any Ambohimanga. Mafy dia mafy ny dona satria voalaza fa nipitika ary simba tanteraka ilay kodiaran-droa. Naratra mafy vokatr’izany kosa ireo teo amboniny. Tsy nijanona akory anefa io fiara nandona io. Nanararaotra ny naha-maizina ny andro ary nanohy ny diany nitsoaka hatrany.

Tamin’ny fampandrenesana no nahafantaran’ny zandary ny zava-nisy ary nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo. Efa ilay môtô simba no hitan’ireto farany teo an-toerana, raha ny angom-baovao hatrany. Ireo naratra kosa efa nentina novonjena avy hatrany tany amin’ny hôpitaly. Ilay lehilahy no tena voa mafy, raha ny vaovao azo. Teo amin’ny lohany no hita nisy naratra be ary voatery nalefa haingana tetsy amin’ny hôpitaly Anosy Avaratra. Noho ny zava-nisy anefa dia voatery nampiakarina avy hatrany tao amin’ny Vonjy taitra ny Hjra indray izy ary omaly no nentina Befelatanana satria misy vaky ny taolan-dava, hoy ny zandary.

Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity ary ny zandary ao Ambohimanga no misahana ny raharaha. Eo am-pikarohana ilay mpamily nahavanon-doza kosa izy ireo. « Antsoina ianao hitolo-batana sy handray andraikitra dieny mbola tsy sarotra ny raharaha » hoy izy ireo

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici