- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRn3 : Toaka voarara 200 litatra saron’ny zandary

Rn3 : Toaka voarara 200 litatra saron’ny zandary

Tra-tehaka tsy afa-niala intsony izy ireo rehefa nifanena tamin’ireo zandary avy ao amin’ny Vondrontobim-paritra “Imerina Central” (IC) hamita iraka any Anjozorobe, ny alarobia teo, tamin’iny lalam-pirenena fahatelo iny. Toaka voarara, teo amin’ny 200 litatra teo, nentina tamin’ny bisikleta no sarona. Olona enina nitondra izany no nosamborina. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo, teo amin’ny PK60, toerana antsoina hoe Miorindrano, kaominina Mangamila, distrika Anjozorobe, no nifanena tampoka tamin’ireto olona nilanja “bidons” niisa 10 tamin’ny bisikleta ny fiara nitondra ireo zandary, notarihin’ny kaomandin’izany Vondrontobim-paritra IC izany. Nosavaina ny tao anatin’izany bidons izany ka hita fa tena toaka gasy, tsy nahazoana alalàna. Nosamborina teo no ho eo ihany ireto olona nitondra azy ireto. Nentina natao fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny zandary tao Mangamila. Nogiazana kosa tetsy andanin’izay ireo toaka voarara, niaraka tamin’ireo bisikleta. Tsiahivina fa ny voalohandohan’ny volan teo ihany koa dia efa nisy toaka voarara 520 litatra saron’ny zandary mifehy ny fifamoivoizana, avy ao amin’ny Vondrontobim-paritra IC tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Nogiazana ihany koa ireto toaka ireto. Nadoboka am-ponja vonjimaika kosa ny tompon’izany niaraka tamin’ny mpamily ny fiara. Marihina tokoa fa mijanona ho fandikan-dalàna ny famokarana, fitondrana ary ny famaratona ny toaka gasy hatreto, eny fa na dia eo aza ilay volavolan-dalana 03-2019 tamin’ny 16 jona 2020, nolaniana teo anivon’ny Antenimierampirenena, mamela malalaka izany. Tsiahivina mantsy fa na dia lany teo anivon’izany andrimpanjakana izany aza io volavolan-dalàna io dia notsipahan’ny teo anivon’ny Antenimierandoholona ny volana jona lasa teo. Araka izany, mbola mitoetra foana ireo lalàna manankery eto amintsika mandrara ny toaka gasy. Anisan’izany ny voalaza ao anatin’ny fitsipika ankapobeny mifehy ny hetra, manaraka ny LFI 2021, izay mametra ireo sazy sy lamandy hampiharina amin’ireo olona tratra. Ny andalana fahefatra, eo amin’ny andininy faha-20.01.68, dia milaza mazava fa voasazy handoa lamandy 10.000ariary isaky ny litatry ny toaka voarara sarona, ary mampiditra an-tranomaizina herintaona ka hatramin’ny roa taona, miaraka amin’ny fanagiazana ny entana sy ireo fitaovam-pitaterana nitondrana izany.

  1. M.L
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici